Lancement officiel du PURSAPS

Le lancement officiel d’un atelier sur le Projet d’Urgence pour la Sécurité Alimentaire et la Protection Sociale(PURSAPS) initié par le gouvernement malagasy sous l’égide du ministère de l’Agriculture et du Développement Rural a eu lieu à l’Hôtel Les Rochés Rouges Mahajanga ce Jeudi 25 septembre 2014. En outre, les représentants des bailleurs de fonds, du gouvernement central, des spécialistes en développement rural dans 10 régions de Madagascar et 6 maires des Communes bénéficiaires du projet dans la Région Boeny participeront à cet atelier durant 2 jours pour trouver la meilleure réponse afin d’atténuer les impacts des catastrophes naturelles et aussi la meilleure technique agricole afin d’améliorer encore plus  la productivité nationale en riz.

Ce projet est financé par le gouvernement japonais à hauteur de 12,66 millions de dollars, mais géré par la Banque Mondiale. Pour la Région Boeny, le PURSAPS est la continuité du projet Bassins Versants Périmètres Irrigués (BVPI) dans le grenier en riz de Marovoay. Ainsi,

1Tamin-kafaliana no nandraisan'ny Lehiben'ny Faritra Boeny indray ny tetik'asa PURSAPS

le Chef de Région Boeny Saïd Ahamad Jaffar n’a pas caché sa réelle satisfaction sur les résultats obtenus où la production en riz est passée de 2 tonnes à 4,4 tonnes à l’hectare. Du coup, il a remercié tous les acteurs qui ont œuvré à cette réussite en particulier le gouvernement japonais qui a prolongé son soutien à l’amélioration de la production rizicole à Marovoay car, seuls 997 ha sur les 24 000 ha de rizières ont été touchées par le projet BVPI.

 

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny PURSAPS

Atrik’asa mandritra ny roa andro, ny 25 sy 26 septambra 2014  ao amin’ny Les Roches Rouges Mahajanga no hanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny Tetik’asa vonjiranovaky ho  an’ny fiahina ara-tsakafo sy ny fitandrona ny  ara-tsosialy (PURSAPS).  Tetik’asa izay novolavolain’ny governemanta malagasy tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fampiroboroboana ny eny Ambanivohitra. Ankoatra ny solontenan’ny mpamatsy vola sy ny Fanjakana dia teknisiana momba ny fampandrosoana ny eny Ambanivohitra avy amin’ny Faritra 10 eto Madagasikara sy Ben’ny tanàna  avy amin’ireo Kaomina eninahahazo tombotsoa ato  amin’ny Faritra Boeny no mandray anjara amin’ny atrik’asa. Hitady ny vahaolana mahomby entina hanamaivanana ny fiatraikan’ny loza voajanahary eo amin’ny mponina ary hitady tetika hanatsarana hatrany ny voka-bary any amin’ireo sompitr’i Madagasikara no ataon’izy ireo amin’izany.

2Vory maro ireo tompon'andraikitra sy mpahazo tombotsoa amin'ny tetik'asa PURSAPS

Ny fanjakana japoney no mpamatsy vola mitentina 12,66 tapitrisa dolara saingy ny Banky iraisam-pirenena no mitantana azy. Ho an’ny Faritra Boeny manokana ity PURSAPS ity dia tohin’ny tetikasa fanondrahana lemaka sahandriaka (BVP)I nifarana ny vola jiona teo izay niompana tamin’ny fampandrosoana ny fambolem-bary tao amin’ny lemak’i Marovoay. Noho izany dia ravoravo tokoa ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar tamin’ny vokatra azo satria dia nitombo avo roa heny mahery ny voka-bary isaky ny hektara (2t/ha lasa 4,4t/ha) ankehitriny. Nankasitraka ireo rehetra nahitanaizany fahombiazana izany izy, indrindra ny gouvernemanta japoney izay mbola vonona hanampy satria dia mbola velaran-tany 997ha amin’ny 24 000ha ihany no voakasiky ny tetik’asa hatramin’izao.

 

Mahajanga,  le 25 Septembre 2014

Remerciements,

Luc Fabien RAOELIARISEHENO

Attaché de presse du CR Boeny

Tél: 033 23 401 21