BOENY: FAMPAHAFANTARANA NY TOMBONTSOA HO AN’NY MPIASA

Ny Ministera ny Asam-panjakana, ny Asa sy ny Lalàna Sosialy dia hanomboka idina eny anivon’ny Faritra 22 eto Madgasikara mba hampahafantatra ny zo sy ny tombotsoan’ny mpiasa izay tra-doza am-perin’asa.(fahafatesana, takaitra vokatry ny ratra, aretina ). Sambany teo amin’ny tantaran’ny Minisitera no hanao hetsika  tahak’izany ka ny Faritry Boeny no nanokafana azy ny 01 hatramin’ny 03 oktobra lasa teo tao amin’ny Bloc Administratif Mahajanga tamin’ny alalan’ny atrik’asa momba ny fiahiiana ara-tsosialy ny mpiasa

Nambaran-dRtoa RASAMOELY Vony Hariniaina Talen’ny Fiahiana ara-tsosialy fa 200 monja ny mpiasa ELD sy EFA no nahazo ny zo feno hatramin’ny taona 1995 no mankaty raha sendra tra-doza am-perinasa. 3 tamin’izy ireo dia avy aty amin’ny Faritra Boeny. Ka izany no nahatonga ny Lehiben’ny Faritra SAÏD Ahamad Jaffar tsy  nihambahambana nilaza fa maro ireo mpampiasa no manafina tsy mampahafantatra ny tombotsoa sy ny zo tokony ho azon’ny mpiasa raha sendra misy ny fahavoazana am-perinasa. Ny tsy fanajàna ireo dia misy fiantraikany amin’ny famokarana sy ny ho avin’ny mpiasa toy ny fisotron-dronono.

Mahery ny telopolo ny orinasa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana no namaly ny antso. Manantena noho izany ny mpikarakara fa hampita ny hafatra eo anivo’ny mpiasa ireo mpandray anjara. Marihana fa adidin’ny mpampiasa no mampiditra ny mpiasa ho mpikammbana ao amin’ ny CNAPS sy mandoa ny latsakemboka ho amin’ny fisotron-dronono ,miantoka ny fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa sy ny ankohonany.

Efa mirona any amin’ny fanapariham-pahefana tena izy ny Ministera ny Asam-panjakana ka ny tanjona dia mba ho vita aty amin’ny faritra avokoa ny taratasy rehetra.

BOENY : SENSIBILISATION SUR LES AVANTAGES DES EMPLOYES

Le Ministère de la Fonction Public, du Travail et des Lois Sociales a décidé de sensibiliser les travailleurs  des 22  régions de Madagascar sur leurs droits et avantages  au cas où ils sont victimes des accidents de travail (mortels, blessures, maladies). C’est la première fois qu’une telle initiative a été prise par ce Ministère, et la Région Boeny en a pu bénéficié la  première durant 3 jours, du 01 au 03 octobre 2014 au Bloc Administratif  Mahajanga sous forme de formation sur les Préventions Sociales.

D’après Madame RASAMOELY Vony Hariniaina, Directeur de la Sécurité Social des Travailleurs (DSST), seuls 200 dossiers des Employés Longues Durées (ELD) et des Employés Fonctionnaires Assimilés (EFA) ont été traités depuis 1995 à nos jours.  Parmi ces dossiers, 3 appartiennent à des travailleurs issus de la Région Boeny et ont déjà touché leurs rentes ou indemnités. Ce chiffre est largement inférieur à ce qui devrait l’être. Ainsi, le Chef de Région SAÏD Ahamad Jaffar n’a  pas mâché ses mots, lors de l’ouverture officielle de la formation, en fustigeant certains dirigeants d’entreprise de cacher volontairement aux salariés leurs droits. Pourtant, cette pratique a un impact négatif sur la productivité des employés et, à terme, sur  leur retraite.

Notons que, plus d’une trentaine d’organisme public et privé ont répondu à l’appel. Les organisateurs espèrent que les participants prendront en considération les informations qu’on leur a transmises pour que chaque travailleur soit conscient de leur droit (retraite, la CNAPS, allocations familiales, indemnités)  et puisse en jouir. Le Ministère de la Fonction public œuvre actuellement vers la décentralisation effective de leurs services afin d’éviter aux provinciaux de rallier la capitale pour la validation d’un dossier.

Mahajanga,  le 06 Octobre 2014

Luc Fabien RAOELIARISEHENO

Attaché de presse du CR Boeny

Tél: 033 23 401 21