Fitsidiam-paritra mialoha ny fotoam-pahavaratra

Nitsidika toerana maromaro nandritra ny dimy andro tamin’iny ilany atsimo sy atsimo atsinanan’ny faritra iny ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar ny herinandro lasa teo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fitsidiham-paritra mialoha ny fahavaratra sy fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ny lefiny ny dia tao amin’ny Distrikan’i Mitsinjo sy  Soalala.

Atrik’asa niarahana tamin’ny tompon’andraikim-panjakana sy fitsidihana ny foto-drafitrasa-panjakana no nataon’ny Lehiben’ny Faritra isaky ny renivohitry ny Distrika. Nisongadina tamin’ny atrik’asa ny fanentana nataony tamin’ireo sefo fokontany mba hanamarina tsara ny momba ireo vahiny miditra any amin’ny fokontany hialana amin’ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harem-pirenena eto amintsika.

Tsapan’ny delegasiona nandritra izao fitsidihana izao fa misy ny fandriam-pahalemana ao anatin’ny Distrikan’i Mitsinjo sy Soalala ankehitriny. Porofon’izany hoy ny zandarimaria any an-toerana ny fahafahan’ireo zaza amam-behivavy mandeha irery any anaty ala tsy amin’ahiahy. Tsy manakana ny  tokony hametrahana mandrakariva ny andrimasom-pokonolona nefa izany hoy ny Lehiben’ny Faritra.

Tsy hita taratra loatra kosa nefa ny fandrosoana any amin’ireo toerana ireo hoy ny tatitr’ireo tompon’andraikitra nitanisa ny olan’ny jiro sy ny rano, ny tsy fahampian’ny mpiasa sy ny fitaovana, ny faharatsian’ny làlana, ary ny fihenan’ny vola fanampiana ny kaominina isan-taona.

Nisy ny fangatahana tranom-boky nataon’ny talen’ny sekoly fanabeazana fototra Andranomavo satria potiky ny rivo-doza nifanesy hatrizay ny boky rehetra.

Ankoatra izay dia simba tanteraka ny tranon’ny Distrika sy ny fonja ao Mitsinjo. Hisy ny fanarenana nanampanantenain’ny Lehiben’ny Faritra hifampiraharana amin’ny orin’asa WISCO toy izay nataon’ity farany tao Soalala. Marihina fa mpikambana ao anatin’ny kaomisiona manokana miandraikitra ny fametrahana ny sinoa WISCO ao Soalala ihany koa  ny Lehiben’ny Faritra. Misy voafonja dimy ao ka ao amin’ny « camp pénal » izy ireo no hazonina.

Mila fanatsarana ihany koa ny tranom-pokonolona, ny CSBII sy sekolim-panjakana vitsivitsy ao amin’ny Kaomina Andranomavo ao Soalala. Manantena ny fanomezan-tànan’ireo mpandraharaha ny Lehiben’ny Faritra hiatrehana izany asa izany.

1Nisy ny fitsidihana ireo biraom-panjakana

Le Chef de Région Boeny en tournée de police générale avant la saison de pluie

Dans le cadre de sa tournée de police générale avant la prochaine saison de pluie et à l’occasion du paiement des indemnités des chefs fokontany et de leurs adjoints, le Chef de Région Boeny Saïd Ahamad Jaffar et son équipe se sont rendus dans la partie Sud et Sud-est de la région notamment dans les districts de Mitsinjo, de Soalala, du fokontany d’Ambalakinina et de la commune rurale d’Andranomavo la semaine dernière. Plus de 25 heures de routes sur piste  en 5 jours ont été réalisés par la délégation la semaine dernière.

Dans les chefs lieux de District, tout commence par une séance de travail avec les responsables des Services Techniques Déconcentrés  et administratifs suivis d’une visite des états des lieux des bâtiments publics. Le Chef de Région a invité tous les chefs fokontany et leurs collègues de procéder à une identification systématique des visiteurs dans leurs lieux de circonscription respective afin de pallier à toutes tentatives d’exploitation illicite des nos richesses.

La sécurité règne dans le District de Mitsinjo et de Soalala en ce moment selon la gendarmerie qui confirma que  même les femmes et les enfants empruntent  seuls les pistes au fin fond de la brousse sans inquiétudes. Mais n’empêche que la vigilance est de mise a annoncé le Chef de Région au chefs fokontany nécessitant la mise en place des «andrimasom-pokonolona» a-t-il continué.

La vie tourne au ralenti dans ces localités, ce constat est confirmé par les rapports verbaux des STD qui énumèrent les problèmes d’eau potable et d’électricité, le manque de matériel et de personnel, les états de délabrement avancés des routes, l’insuffisance des subventions des communes. Mais le plus marquant, c’est l’appel lancé par la directrice de l’Ecole Primaire Publique d’Andranomavo aux autorités pour la remise en état de la bibliothèque car tous les livres ont été endommagés par les intempéries qui y ont sévi depuis quelques années.

Après constat, à Mitsinjo, le bureau du District et la prison tombent en ruine. Le Chef de Région  a promis de faire tout son possible pour les réhabiliter comme le cas du bureau du District de Solala où la restauration est actuellement assurée par les chinois du WISCO. Notons qu’il est membre de la commission chargée de faciliter l’insertion des chinois à Soalala. Il existe cinq détenus à Mitsinjo et ils sont incarcérés provisoirement dans un camp pénal a déclaré le représentant du ministère de la justice. D’autres bâtiments publics méritent aussi quelques coups de pinceaux comme « le tranom-pokonolona », le CSB II et certaines écoles publiques d’Andranomavo. Le Chef de Région compte sur la générosité des donateurs privés dans ce sens.