Loharano masina notrandrahana ho rano fisotro madio ao Sitampika, distrikan’Ambato Boeny

Mpandraharaha ara-toe-karena iray ao amin’ny Kaomina Sitampika no nangataka tamin’ny Tale iraisam-paritry  ny Rano eto Mahajanga ny  hikarakarana loharano masina iray avy amin’ny rafia atao hoe Andrafiamisitrika ao Sitampika ihany.

Rehefa natao ny fitsirihana rehetra dia  hita fa ampy tsara ny tahirin-drano ao saingy maloto. Nifanaraka ary ilay  mpandraharaha ara-toe-karena sy ny fokonolona ka iry voalohany no hiantoka ny  fitaovana  hananganana ny foto-drafitr’asa hahazoana rano fisotro madio avy amin’io loharano io ary iretsy faharoa no hiantoka ny sandry ho enti-miasa.

Anjaran’ny Faritra Boeny kosa no nanetsika sy  nanentana ireo mpitondra sy manam-pahefana tany an-toerana hiantso ireo  fokonolona hiasa.  Nantsoina tamin’izany ireo Sefo  fokontany, ny Filohan’ny mpanolo-tsaina sy ny mpiara-miasa aminy notarihin’ny Lefitry ny  Ben’ny tanànan’ny Kaomin’i  Sitampika, ary ny Komandin’ny Tobin’ny zandary any an-toerana. Izy rehetra ireo indray no nitaona sy nanetsika ny fokonolona ka Fokontany dimy hatrany amin’ny  50km manodidina an’i Sitampika tampon-tanàna no nandray anjara, izay samy nanolotra vatan-dehilahy 20 avy. Nisongadina manokana nandritra izao asa sosialy izao ny fandraisana anjara mavitrika nasehon’ny  Komandin’ny Tobin’ny zandary.

2Une réserve d'eau suffisante

Vita ny tapaky ny volana Septambra teo  ny foto-drafitr’asa ary voamarin’ny Tale iraisam-paritry  ny Rano araka ny  fitiliana  tamin’ny alalan’ny fitaovana voatokana fa efa  madio sy fisotro ny rano ao  Andrafiamisitrika ankehitriny.  Miandry ny fitokanana ny foto-drafitr’asa vaovao  amin’ny fomba ofisialy sisa ireo fokonolona.

Un point d’eau sacré devenu une source d’eau potable à Sitampika dans le District d’Ambato Boeny

1Un repas de travail avec l'opérateur économique mécène(à dr.)Un opérateur économique résidant dans la Commune de Sitampika a eu la dévotion de demander auprès de la direction Interrégionale de l’Eau de Mahajanga d’entretenir un point d’eau sacrée puisant sa source en dessous d’une plantation de rafia  qu’on nomme Andrafiamisitrika.

Après avoir effectué toutes les études adéquates, l’existence d’énorme réserve d’eau est révélée  mais le seul problème c’est qu’elle n’est point potable. Pour y remédier,  l’operateur  ainsi que les fokonolona ont décidé de  réaliser ensemble un projet de travaux d’infrastructure d’adduction et de purification  afin que leur population  ait  accès à de l’eau potable. Il a été donc convenu  que l’opérateur  va financer matériellement le projet et aux fokonolona  d’assurer  les mains d’œuvre.

Pour ce qui est de la part de la Région Boeny, sa tache revient à mobiliser les autorités de la Commune de Sitampika pour qu’à leur tour ces dernières incitent les fokonolona  bénéficiaires à participer. Nombreux  ont répondu à  l’appel comme les Présidents  des fokontany concernés, le Président des Conseillers communaux dirigés par l’Adjoint au maire de la Commune et le Commandant de brigade de la gendarmerie de Sitampika.

20 hommes par fokontany sont mobilisés et ont participé aux travaux. La participation du Commandant de brigade de la gendarmerie méritait des éloges ainsi que celle des fokonolona des cinq fokontany bénéficiaires sur  50km environnants.

Les travaux ont pris fin mi-septembre. Après le test effectué par direction interrrégionale de l’Eau de Mahajanga, la source d’Andrafiamisitrika est actuellement purifiée  et la population n’attend plus que l’inauguration officielle qui aura lieu ce mois-ci.

Mahajanga,  le  1er Octobre  2014

Alida RAKOTOMALALA,

Stagiaire à l’Unité de Communication de la Région Boeny