EPP Andranomavo-Soalala: le Président réhabilitera la bibliothèque

Suite à un appel lancé par le Chef de Région Boeny Saïd Ahamad Jaffar pour la réhabilitation de la bibliothèque de l’Ecole primaire publique de la Commune rurale d’Andranomavo dans le district de Soalala pendant son discours lors de la célébration officielle de la rentrée scolaire  2014 – 2015 pour les élèves des écoles primaires, des collèges et des lycées le jeudi 06 novembre 2014 devant la Mairie de Mahajanga, le Président de la République Hery Rajaonarimampianina a promis d’en prendre en charge selon son Directeur de Cabinet Henry Rabary Njaka lors de l’allocution de ce dernier.

Mais les promesses d’appui à la Région ne s’arrêtaient pas là ce jour. Le Président dotera aussi cinq ordinateurs la Maison des Elus qui est destinée à être un lieu de renforcement de capacité des Maires et des Conseillers municipaux des 43 Communes de la région Boeny. Puis, le Chef de Région s’est adressé aux élèves, issus des écoles publiques et privées de la commune urbaine de Mahajanga, conviés à la cérémonie en vu d’un défilé, en leur expliquant le thème choisi pour cette année 2014-2015 qu’est : « l’Education moteur essentiel du développement inclusif et équitable ».

Mais, comme la journée est réservée à la rentrée solennelle, le Ministre de l’Education nationale, Paul Rabary, au cours de sa courte intervention, a informé que tous les enseignants subventionnés dans la région Boeny seront engagés en tant que fonctionnaires avant la fin de cette année. Il a également assuré que 25 000 enseignants dans tout Madagascar seront recrutés avant le 26 Juin 2015, et de continuer que le traitement équitable des élèves malgaches entre dans les priorités du ministère. La preuve, il a annoncé la création de 400 salles de classes et la fabrication de 25 000 table-bancs qui seront répartis dans toute l’ile. Pour finir, il a remis au responsable du Lycée Philibert Tsiranana, les 50 tablettes numériques destinées aux professeurs.

Rappelons que le Ministre des Postes, des Télécommunications, et des nouvelles Technologies, Rakotomamonjy André Neypatraiky a œuvré pour la dotation de tablettes numériques aux 4000 enseignants répartis dans 80 Lycées de la Grande Ile. La cérémonie a été honorée par sa présence ainsi que celle du Ministre des Ressources Halieutiques et de la Pêche, Ahamad.

S EPP Andranomavo-Soalala: ho havaozin’ny Filoha ny tranom-boky

               Vokatry ny antso avo nataon’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar ny amin’ny hanavaozana ny tranom-bokin’ny Sekoly fanabeazana fototra ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Andranomavo, distrikan’i Soalala dia nanambara ny Talen’ny Kabinetran’ny Prezidansa fa ho tanterahin’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery izany.  Anisan’ireo vaovao tsara  ho an’ny fampianarana et Boeny izany nandritra ny fanamarihana nasionaly ny fidiran’ny taom-pianarana 2014-2015 tao Mahajanga,  teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna ny alakamisy 06 novambra lasa.

Fa tsy nijanona teo ny fanohanana ny Faritra; hanome solosaina miisa dimy ihany koa ny Filoha amin’ity faran’ny herinandro ity ho an’ny Tranoben’ny Olom-boafidy, izay natokan’ny Faritra Boeny ho toeram-piofanana ireo Ben’ny Tanàna sy Mpanolo-tsaina ao anatin’ireo Kaominina 43 mandrafitra azy. Nitodika tamin’ireo mpianatra avy eo Atoa Saïd Ahamad Jaffar,  nanazava ny loha-hevitra nentina nanamarihana ny taom-pianarana ho avy ity: « Fanabeazana fanoitra lehibe ho amin’ny fampandrosoana iarahan’ny rehetra sy ara-drariny ».

Fa natokana ho fankalazana ny fidiran’ny mpianatra ny fotoana ka nampahafantatra ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena, Rabary Paul fa hampidirina ho mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra FRAM rehetra ato amin’ny Faritra Boeny amin’ity taona ity. Ary manerana ny Nosy dia mpampianatra FRAM miisa 25 000 no hampidirina mialohan’ny 26 Jona 2015 ry miaraka amin’izay ny pôlitika fampitoviana lenta ny zaza Malagasy, hoy ihany izy nanohy fitenenana. Porofon’izany hoy izy, ny famoronana efi-trano fianarana 400 sy dabilio 25 000 haparitaka manerana ny Nosy. Nanolotra “Tablette numérique” 50 ho an’ny mpampianatra tao amin’ny Lycée Philibert Tsiranana koa ny Ministra.

Tsahivina fa ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ary ny Tekenolojia Vaovao, Rakotomamonjy André Neypatraiky no niketrika ny famatsiana “Tablette numérique” ary hanolotra 4000 isa amin’ity fitaovana ity  ho an’ny mpampianatra any amin’ny Lycée miisa 80 eto Madagasikara.  Tonga nanome voninahitra ny fotoana omaly ny tenany niaraka tamin’ny Ministry ny Harena an-dranomasina sy ny Jono, Ahamad.