Mampazoto ny mpitsabo ny fanavaozana ny trano sy ny fanatsarana ny fitaovana

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny Fahasalamana sy ny Vondrona eropeana  dia nanolotra fitaovana ho an’ny fizaham-pahasalamana sy fitsaboana, ho an’ny fiterahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny Unicef tamin’ny alàlan’ny Fandaharan’asa fanohanana ny sehatra ara-tsosialy momba ny fahasalamana eny ifotony na PASSOBA-Santé (Programme d’appui aux secteurs sociaux de base)  ho an’ireo CSB eto Boeny ny alatsinainy 10 novambra 2014, tao amin’ny Tobim-pahasalamana Mahabibo Mahajanga.

Tafiditra ao anatin’ny  politikam-panjakana momba ny fampandrosoana ny  fanatsarana ny sehatry fahasalamana amin’ny alàlan’ny fampitaovana ny tobim-pitsaboana sy ny fampitomboana ny mpiasan’ny fahasalamana isaky ny tobim-pahasalamana hoy ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa  Saïd Ahamad Jaffar, nandritra ny  fanolorana ny fitaovana. Izany hoy izy, dia mba ahafahan’ny vahoaka manaraka ny toe-pahasalamany araka ny  tena tokony ho izy.

Ny mpanolontsainam-paritry ny PASSOBA Boeny-Betsiboka, Atoa Kuo Tong Rogers no nisolo-tena ny Unicef nanolotra ireo fitaovana ireo izay ho tsinjaraina amin’ny CSB I sy II miisa 90 manerana ny faritra Boeny. Efa mizotra amin’ny fizarana azy ireo ny Sampandraharaha-paritry fahasalamana eto Boeny raha ny voalazan’ny taleny, Atoa Harison Nirina Ravalomanda.  Tanjona hoy izy, ny ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany sy ny hialana amin’ny fikatonan’ny CSB nohon’ny tsy fahampian’ny fitaovana ao amin’izy ireny.

Notanterin’Atoa Tale fa fanamby efa notontosain’ny PASSOBA ihany koa ny fampidirana mpitsabo sy mpitsabo mpanampy vaovao nanatevin-daharana ireo efa miasa any ambanivohitra sy eto antampon-tanàna.  Mbola tsy ampy nefa izy ireo raha  ka mbola hiadian-kevitra amin’ny fivoriambe nasionaly hatao atsy ho atsy ny hampidirana hafa indray.

Ankilan’izay ny fanavaozana ireo trano CSB miisa 20 eto amin’ny faritra izay efa tena ilaina fanamboarana mba hampirisika ny mpitsabo hiasa ara-dalàna.

S

Dans le cadre de la collaboration entre le Ministère de la Santé et de l’Union européenne, l’Unicef par l’intermédiaire du PASSOBA-Santé (programme d’appui aux secteurs sociaux de base) a octroyé aux 90 CSB I et CSB II de la région Boeny des équipements de diagnostic et de soins  ainsi que des kits de maternité et de planning familial.

Mr Kuo Tong Rogers, Conseiller régional du PASSOBA Boeny-Betsiboka et représentant de l’Unicef a procédé à la remise de ces dons aux autorités locales et sanitaires de la Région ce 10 novembre 2014 au Centre de Santé de base de Mahabibo, Mahajanga.

Equiper les CSB et renforcer  leur effectif personnel fait partie de la Politique générale de l’Etat  en matière du  développement et de l’amélioration de la santé publique. Cette remise de matériels témoigne la mise en œuvre de cette politique a-t-il souligné le Chef de Région Saïd Ahamad Jaffar.  L’Etat agit ainsi pour que chaque citoyen puisse bénéficier des soins nécessaires.

Au Directeur régional de la Santé de Boeny, Mr Harison Nirina Ravalomanda,  d’informer  que l’acheminement des kits vers les CSB des six districts était déjà en cours. Il a précisé que l’objectif du ministère, c’est qu’aucun CSB ne ferme plus, faute de matériels.

Recruter des médecins et aides soignants, un autre défi déjà réalisé par le PASSOBA, afin d’étoffer  les personnels sanitaires tant dans le milieu rural que dans le milieu urbain. Cependant, le DRS mentionna que les recrutements faits jusqu’alors n’ont pas encore répondu au besoin,  ce qui fait qu’une négociation en la matière  est encore à faire au  niveau national a-t-il avancé.

En outre,  vingt des établissements CSB de la région constatés être en de piteux états, figurent dans le programme de réhabilitation du PASSOBA, selon toujours le DRS Boeny, cela pour donner aux médecins un cadre de travail favorable et de les encourager  dans l’exercice de leur fonction