Daily Archives: 16 décembre 2014

Famaranana ny lalao Beach soccer andiany faha-5

Tontosa ny Zoma 12 Desambra 2014 teo ny lalao famaranana ho fiadiana izay ho tompon-dakan’i Madagasikara teo amin’ny taranja Baolina kitra eny amin’ny toram-pasika na Beach soccer andiany faha-5. Ny faritra Boeny no nandray izany, ary teny amin’ny toram-pasiky ny Village Touristique,  Mahajanga no natao ny fifanitsanana rehetra. Nahatonga mpandray anjara avokoa  ireo faritra 22.

Soalala: Lehiben’ny Distrika vaovao amin’ny Tranom-panjakana vaovao

Notanterahina ny ny 12 desambra 2014 tao amin’ny tranompokonolona any an-toerana ny fametrahana ny Lehiben’ny distrika vaovao ho an’i Soalala izay notarihin’ny Lehiben’ny Kabinetran’ny Faritra Boeny, Atoa Hemedy. Atoa Rachidy Oumar Houssen, Administrateur civil, indray no Lehiben’ny distrika vaovao ao Soalala nandimby toerana an’Atoa Ranjakasoa Mparany Gabbie Mamy Angelin, Attaché d’Administration, izay voatendry any an-toeran-kafa.