Daily Archives: 22 décembre 2014

Valan-javaboaharim-pirenenan’ny Baie de Baly-Soalala: ny vahiny sahirana miaro, ny tera-tany sahirana mandoro

Sivy andro no faharetan’ny afo, nanomboka  ny zoma 05 desambra ary tsy maty raha tsy ny alin’ny 13 desambra vokatry ny filatsahan’ny orana. Ala maherin’ny 250 ha, firiariavan’ireo karazam-biby, sy anirian’ireo zava-maniry tsy fahita firy sy fitsaboana maro no levon’ny afo noho ny hetraketraky ny tsy mataho-tody tao amin’ny Valan-javaboaharim-pirenenan’ny Baie de Baly, Soalala, raha

FITSANGANAN’NY V.M.A.M na Vovonan’ny Mpiasa Antselika eto Mahajanga (le 16-12-2014)

Nijoro ara-panjakana eto Mahajanga ny V.M.A.M. na Vovonan’ny Mpiasa Antselika eto Mahajanga ny Talata 16 Desambra 2014 tao amin’ny GTZ La Corniche Mahajanga rehefa nahazo ny fankatoavana sy nahafeno ny fepetra mifehy ny fikambanana araka ny lalàna lah. 60-133/03 Oktobra 1960. Nandritra io fotoana io no nankatoavan’ireo mpikamban’ny V.M.A.M.  maherin’ny zato ny Sata mifehy ny fikambanana

La validation des Banques de projet sur les filières Black eyes ou Lojy et le Maïs

L’équipe PROSPERER Boeny,   en collaboration avec le Le ministère de l’Agriculture et du développement rural ont donné un atelier le 16 Décembre 2014 au local de la Direction régionale de l’Elevage Boeny. La validation des Banques de projet sur les filières Black eyes ou Lojy et le Maïs a été leur principal objectif. La direction

VIH/SIDA eto Boeny: maro ireo mbola tsy mahalala sy minia tsy miraharaha ny fisiany

Ny 16 desambra 2014, tao amin’ny Tranoben’ny Indostria sy ny Varotra Mahajanga no notolorana fanamarinam-piofanana ireo solontenan’ny mpiasa avy amin’ny Vondron’ireo mpiasa antselika sy ireo avy amin’ny toeram-piasana,  rehefa nanaraka fiofanana ho mpanabe olon-tsahala  hanentana ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA eo amin’ny tontolon’ny asan’izy ireo. Iray volana no faharetan’ny fiofanana, ny 18 septambra hatramin’ny 20

Fandaharan’asa PROSPERER Boeny: tosika ho an’ny hoavin’ny tanoran’ny Faritra

Mpianatra zato mahery izay notohanan’ny fandaharan’asa PROSPERER no navoaka ny Zoma 19 Desambra 2014 tao amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria eto Mahajanga. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra ny fampiofanana ireo mpianatra ireo,  izay natao indrindra hitsinjovana ireo tanora izay osa sy tra-pahasahiranana eo amin’ny lafiny fianarana. Ny fanjakana