Boky: tiako, vakiako, hajaiko

Loharano fitrandrahana ny fahalalana ny famakiam-boky. Izay no nasongadin’ireo manampahefana notarihin’Atoa Hemedy, Lehiben’ny Kabinetran’ny Faritra Boeny, nandritra ny lanonam-panokafana ny Tsenaben’ny Boky andiany faha-10 tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga ny 26, 27, 28 Novambra 2014.

Miisa 11 ny tranom6boky eto antampon-tanànan’i Mahajanga, ka enina amin’izy ireo  an’ny Kaomina, ankoatr’izay an’ny Fikambanana mpiara-mamaky baiboly, ny Lycée, ny Oniversite sy ny Ivon-toerana Fampahalalam-baovao sy tahirin-kevitra siantifika ary teknika na CIDST (Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique), ny Fonjaben’i Marofoto. Manampy azy ireo ihany koa ny tranom-bokin’ny Alliance française sy ny American Corner eto Mahajanga.

Ilaina ny fanajana sy ny fikojakojana ny boky satria izy dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary ny fampandrosoana hoy ny Tompon’andraikitry ny tranom-boky monisipaly, nanamarina  ny lohahevitr’ity Tsenaben’ny Boky andiany faha-10 ity izay milaza hoe tiako, vakiako, hajaiko ny boky.

S

Tanjon’izao hetsika izao dia ny fampiroboroboana ny famakiam-boky sy fampirisihina ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe ho tia boky. Fampirantiana sy varotra ary fanentanana tamin’ny alalan’ny hatsikana ho an’ireo tsy tia mamaky boky no nanamarihana ireo telo andron’ny Tsenaben’ny Boky ireo. Nampirantina tao ihany koa ireo kisarisary sy asa tanànan’ireo voafonja ao amin’ny Fonjaben’i Marofoto ho fanohanana ara-tsoasialy azy ireo.

Nanohana ara-bola sy ara-pitaovana izao Tsenaben’ny Boky izao ny tetik’asa frantsay IRCOD sy ny Kaominina Mahajanga.