Daily Archives: 23 février 2015

04 Febroary: fanokafana ny taom-pambolen-kazo Boeny

Mavitrika ny fandraisana anjaran’ireo tompon’andraikim-panjakana, ny mpitandro ny filaminana, ny fikambanana maro toy ny mpiaro ny tontolo iainana, ny mpivaro-kazo; ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ny mpianatra ary ny fokonolona tamin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2015 ho an’ny Faritra Boeny. Nitarika sy nanokatra ny fotoana ny Lehiben’ny Faritra Atoa Saïd Ahamad Jaffar izay nanentana ny

FMMA : mila tezaina amin’ny tsara ny vahoaka

Ny harivan’ny 03 febroary 2015 no nampahafantatra ny mpanao gazety ny fisiany  ny Fikambanan’i Mahajanga Miaro ny Ara-dalàna (F.M.M.A) tao amin’ny efitrano fivorian’ny Faritra Boeny Ampisikina Mahajanga. Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na antoko pôlitika tarihin’Atoa Razafindehibe Etienne Hilaire izay ivondronan’ireo sokajin’olona samy hafa avy amin’ny Faritra efatra ao anatin’ny Faritan’i  Mahajanga. Anisan’ny iray amin’ireo

Fifidianana kaominaly: tsy hisy tomika ny fikirakirana ny antotan- taratasin’ireo Kandida

Toky ho an’ny mpifidy nomen’ny  Kaomisera nasionalim-pifidianana, Coach Boeny, Atoa Jean,  sady solontenan’ny CENI-T Foibe ny hoe” Hitandrina tsara, hanaraka izay voalazan’ny làlam-pifidianana ireo ao anatin’ny OVEC ary hanampy ireo mpisolotena ny Kandida sy Kandida ho fidina amin’ny toro-hevitra sy toro-marika.” Toy ny any amin’ny Faritany dimy hafa dia ny 18 hatramin’ny 20 febroary 2015