Tous les traitements des élections communales seront décentralisés

Dans le cadre de la préparation des élections communales,  une délégation de la CENI-T, conduite par sa Présidente, Mme Atallah Béatrice a effectué une visite de trois jours à Mahajanga, du 19 au 21 janvier 2015.

Elle était accompagnée de quelques responsables de son staff technique : le  vice Président,  le Secrétaire exécutif, les Coaches électoraux régionaux, le Directeur du service informatique et le  Directeur de la sécurité, ainsi que le Directeur du Cabinet de la CENI-T.

Mme Atallah Béatrice d’expliquer que,  pour exécution du  décret n° 2014-1965 du 30 décembre 2014 portant notification de la CENI-T de se charger de la préparation et de l’organisation des élections communales du 17 juillet 2015, l’organe d’élection qu’elle dirige, de par la décision de son assemblée générale,   a décidé  d’effectuer des tournées dans chaque chef lieu des six Provinces de Madagascar.

La délégation a ainsi commencé par ces trois jours à Mahajanga, puis continuera à Antsiranana, Toamasina, Fianarantsoa, Toliary,  et  terminera à Antananarivo, selon le calendrier avancé par la Présidente de la CENI-T.

Elle a ajouté que la convocation des électeurs étant officialisée par le décret 2015-006 du 08 janvier 2015, l’objet de ces tournées provinciales consiste alors à superviser les préparatifs logistiques en vue des  élections communales d’un, et de deux, superviser la révision annuelle des listes électorale 2014/2015.

Ainsi à la suite d’une visite de courtoisie auprès du Chef de la Région Boeny, la délégation a visité le bureau de la Direction régionale de la Décentralisation de Boeny, à Manga, Mahajanga.

Quatre grandes salles dans ce bureau serviront de siège à  la  Structure ad’ hoc des élections communales de Mahajanga : deux pour les traitements et les saisies des résultats reçus des 525 bureaux de vote éparpillés sur toute la Province. La troisième salle servira d’espace d’information pour les observateurs, les candidats et les journalistes tandis que la quatrième sera pour tout ce qui est sécurité.

La Présidente de la CENI-T et son staff avec le CR Boeny ont conclu leur mission à l’Hôtel de ville,  le mercredi 21 janvier par une réunion avec les Coaches des quatre régions de Mahajanga, des Chefs de districts, des Responsables des services administratifs déconcentrés, entre autres  le  Tribunal administratif, la JIRAMA, ainsi que les hauts Commandants interrégionaux des forces de Mahajanga.

Parmi les déclarations de Mme Atallah Béatrice,  il y à le fait que cette fois-ci,  ce sera l’Etat malagasy, par le biais du Ministère des Finances et du Budget,   qui financera les élections.

De ce fait, elle lance la demande de soutiens logistiques à titre d’emprunt et des collaborations techniques, indemnisées,  auprès de ces participants à cette rencontre, pour la période avant, pendant et après les élections du 17 juillet.

Elle a annoncé également les recrutements, pour un contrat respectif déterminé, d’un  Graphiste-PAOiste par District qui confectionnera les maquettes des bulletins uniques, des centaines d’Opérateurs de saisie locaux,  quatre Techniciens supérieurs en informatique par Province et des Secrétaires fonctionnaires. Concernant ces derniers, le profil du poste exige qu’ils soient fonctionnaires en activité au sein des bureaux des Districts ou du Tribunal administratif pour chaque Province.

Entre temps, à la suite de sa mission à Mahajanga, Mme Atallah Béatrice s’est envolée pour les archipels des Comores suite à une invitation du Secrétaire général de l’OIF (Organisation Internationale de la Francophonie). En effet, ce dernier lui a confié une mission de supervision des élections législatives comoriennes du dimanche prochain, avec les observateurs de l’OIF.  

Fifidianana kaominaly: famatsiam-bola malagasy 100%!

Namory ny tompon’andraikim-panjakana izay voakasiky ny raharaham-pifidianana mivantana na ankolaka eto amin’ny Faritanin’i Mahajanga  ny Filoha Nasionalin’ny CENI-T, Rtoa Atallah Béatrice sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ho famaranana ny fitsidihana izay nataony nandritra ny telo andro, nanomboka ny Alatsinainy 19 hatramin’ny Alarobia 21 Janoary 2015 teto amin’ny Tanànan’ny Voninkazo.

Ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga no nandray ny fivoriana ka nanotrona azy tamin’izany ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar, izay nanambara avy hatrany “fa miavaka tsy tahaka izay nisy rehetra teo aloha ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly amin’ny 17 jolay ho avy izao. Fa tokana no tsara tsiahivina hoy izy dia ny hoe: raharaham-panjakana no ho atao ka mila ny fandraisan’anjara matotry ny Sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny”

Nanazava bebe kokoa avy eo Rtoa Atallah Béatrice, ka nilazany fa “mety ho ny Fanjakana Malagasy no hiantoka manontolo ny vola hanatanterahana ny fifidianana kaominaly ho avy io. Ny antony hoy izy dia nilaza ny mpamatsy vola mahazatra fa tsy tafiditra intsony amin’ny sora-bolan’izy ireo ho an’ny taona 2015 io fifidianana io satria tara loatra ny hanatanterahana azy.

Nanomboka teo dia nanapa-kevitra ny Fivoriamben’ny CENI-T hitety ireo renivohitry ny Faritany enina mba hanentana ny rehetra hiaraka hisalahy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izay taratry ny firenena demôkratika. Hiara-hiasa amin’ireo tompon’andraikitra isam-paritra ny mpiasan’ny CENI-T foibe amin’izany. Ho aparitka isaky ny renivohim-paritany mantsy ny ivon-toerana fanomanana ny fifidianana sy fikirakirana ny valim-pifidianana fa tsy ho avangongo ao Antananarivo. Mila fifidianana madio sy eken’ny rehetra isika hoy ihany ny Filohan’ny CENI-T.

                        Hatsangana ihany koa ny kômity manokana na Comité ad’ hoc izay ho tarihin’ny Lehiben’ny Faritra miasa amin’ny renivohim-paritany mba hiantoka ny fandriam-pahalemana eny anivon’ireo ivon-toerana fanomanana ny fifidianana sy fikirakirana ny valim-pifidianana, ny Fitsarana momba ny ady amin’ny fanjakana ary ny trano fonenan’ireo mpiasan’ny CENI-T foibe.

Raha ny ato amin’ny faritan’i Mahajanga no resahana dia  ao amin’ny Biraom-pritry ny Fitsinjaram-pahefana eto Boeny, ao Manga Mahajanga no nosafidin’ireo delegasion’ny CENI-T tonga teto ireto hisy io ivon-toerana fanomanana ny fifidianana sy fikirakirana ny valim-pifidianana io.

Nanambara ihany koa Rtoa Filohan’ny CENI-T fa hisy ny fandraisana mpiasa miisa hatrany amin’ny 500 manerana ny nosy mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ary haharitra iray volana avy ny faharetan’ny asa. Ka ny ho raisina amin’izany dia Manampahaizana mpikirakira sary iray isaky ny Distrika, handrafitra ny ho endriky ny Bileta tokana,  “Opérateurs de saisie” avy eo an-toerana  an-jatony,  Mpitan-tsoratra mpiasam-panjakana avy ao amin’ny Biraon’ny Distrika sy Fitsarana momba ny ady amin’ny fanjakana isam-paritra, ary Teknisiana ambony momba ny solosaina efatra isam-paritany izay hiara-hiasa amin’ireo avy ao amin’ny CENI-T foibe.

Taorian’ny fitsidihana teto Mahajanga dia lasa avy hatrany any amin’ny nosy Kaomoro Rtoa Atallah Béatrice sy ny ireo mpiara-miasa aminy satria nahazo antso avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) ny tenany hitarika ny mpikambana ao amin’ity fikambanana ity amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana Solombavambahoaka kaomaoriana izay hatao ny alahady 25 janoary ho avy izao.

Aorian’izay dia hitohy ny fitetezana Faritany hataon’ny delegasion’ny CENI-T izay ho faranany ao Antananarivo.