Andro ratsy taty amin’ny faritra andrefana: niakatra be ny rano teto Mahajanga, nahatratra 1500 ny traboina

Vokatry ny filatsahan’ny rotsak’orana nifanesy ny Alahady 08 marsa tontolon’ny andro, nitohy ny alin’iny tontolo  ary ny  tapak’andro maraina tontolon’ny Alatsinainy 09 marsa dia niakatra fatratra ny rano teto Mahajanga.

Maro araka izany ireo traboina  ka toy izao ny antotan’isa voaray tamin’ny fitsidihana notanterahin’Atoa Lehiben’ny Faritra Boeny  Saïd Ahamad Jaffar  teny an-toerana io maraina io.

Tao amin’ny Fokontany Fiofio: 203 tafo ireo tra-boina, dobo rano ny tranony.

Fokontanin’Ambalavola: 221 tafo,  ahitana olona 447 tsy manan-kialofana

Ary ho an’ny Fokontanin’i Tsararano kosa dia miisa 400 ireo olona voatery niala ny toeram-ponenany.

SONY DSCNisy araka izany ireo fanomezana vonjy maika natolotry ny Lehiben’ny Faritra omaly Alatsinainy izay nahitana vary 15 gony sy savony  13 baoritra,  notsinjaraina tamin’ireo toby telo misy ireo traboina ireo.

Vonjy maika ihany ireo fanomezana ireo hoy ny Lehiben’ny Faritra fa mbola hisy ny fanampiny mbola ho atolotra ato ho ato.