CR Boeny : « le SRAT, un outil d’orientation pour les investisseurs »

Le Chef de Région Boeny Saïd Ahamad Jaffar a lancé hier, 11 mars 2015, officiellement l’élaboration du Schéma Régional d’Aménagement du Territoire (SRAT) devant les responsables des Services Techniques Décentralisés et des Partenaires Techniques et Financiers (PTF), qui étaient au nombre de 77, dans les locaux de la Région au Bloc Adminitratif Ampisikina Mahajanga.

Pour le CR Boeny, le SRAT constitue un outil d’orientation précis et exacte pour les investisseurs nationaux et étrangers dans tous les domaines que ce soit dans l’agriculture, l’élevage, les ressources stratégiques, l’halieutique, l’énergie, le tourisme et autres secteurs clefs et même les ressources humaines.

Il a continué de déclarer que depuis qu’il était à la tête de l’Administration régionale de Boeny plusieurs sont ceux qui y veulent investir mais ils ne savent pas par où commencer car ils leur manquent de visibilité en matière d’approche technique. D’après les PTF, la coopération allemande PAGE-GIZ  Programme d’appui à l’Environnement)  la région, l’élaboration du SRAT Boeny s’élèvera à plus de 200 000 000 d’ariary.  La documentation finale  verra le jour au mois de septembre 2016 au plus tard. Et ce sont les dépenses sur la tenue des innombrables ateliers qui creuseront le budget. La gestion de ce dossier sera confiée à une direction collégiale entre la Région, les PTF et des consultants spécialistes en appuis aux Collectivités territoriales décentralisés.

Une brève explication sur le SRAT, une présentation de la feuille de route pour son élaboration et une directive pour la récolte des données ont été dispensées à l’assistance au cours de cette réunion.

Le CR Boeny a fait remarquer que l’élaboration du SRAT est différente de celle des Schémas d’Aménagement Communaux (SAC) dont plusieurs Communes de la Région sont déjà à la phase documentation.

S

« Hanampy betsaka ny mpamatsy vola ny Drafi-paritra fanajariana ny Lafin-tany » hoy ny Lehiben’ny Faritra Boeny

 

Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar manoloana ireo tompon’andraikim-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka miisa 70 mahery  eto anivon’ny Faritra ny alarobia 11 martsa 2015 ny fanombohan’ny fandrafetana amin’ny fomba ofisialy ny Drafi-paritra fanajariana ny lafin-tany na SRAT (Schéma Régional d’Aménagement du Territorial) eto Boeny tao amin’ny Bloc Administratif Ampisikina Mahajanga.

Ho an’ny Lehiben’ny Faritra Boeny,  ny SRAT dia fitaovana iray mazava sady azo antoka entina hanombohana ny asa fampandrosoana ho an’ireo mpamatsy vola avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany ary mahakasika ny sehatra rehetra : ny fambolena, ny fiompiana, ny harena an-kibon’ny tany, ny harena anaty rano, ny angovo, ny fizahantany ary ny harena ara olombelona sns…

Betsaka no te-hamatsy vola sy hampandroso ny Faritra hatramin’ny nahatongavanay teo amin’ny toerana hoy ny Lehiben’ny Faritra fa saingy tsy misy làlana mazava tsara tokony hizoran’izy ireo mba hanombohana ny asa tiany hatao.

Ho an’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola dia mihoatra ny 200 000 000 ariary ny fanatontosana ny SRAT Boeny ka any amin’ny volana septambra 2016 vao ho vita. Ny fanatanterahana ireo atrik’asa marobe no tena mandany ny teti-bola amin’ny famolavolana ny SRAT. Ny fitantanana dia hiraisan’ny Faritra Boeny, ny mpamatsy vola izay sahani’ny Fandahran’asa alemaina PAGE-GIZ (Programme d’appui à l’Environnement) sy ny Mpisehatra tsy miankina (Conslutants privés) izay mahafehy ny raharaha mikasika ny Vondrom-bahoakam-paritra  itsinjaram-pahefana.

Ny fanazavana fohy momba ny SRAT, ny fampahafantarana ny tondro zotra entina hanatanterahana azy ary ny fomba fanangonana  ireo atontam-baovao sy atontan’isa  ilaina amin’izany no naseho ireo mpandray anjara nandritra ny fivoriana.

Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra Boeny teo am-pamaranana fa samihafa ny fanatontosana ny SRAT sy ny SAC (Schémas d’Aménagement Communaux) na ny Drafi-panajariana eny anivon’ny kaominina izay efa nahavitan’ny Kaomina maromaro ato amin’ny Faritra atontan-kevitra.