Famindram-pibaikoana ara-miaramila

Lanonana famindram-pibaikoana ara-miaramila isan’ambaratonga andiany roa no notanterahina teto amin’ny Faritany miaramila faha-IV, teo amin’ny Arabe Poincaré,  Mahajanga Be, ny zoma 27 febroary 2015.

Manamboninahitry ny Tafika  maromaro no nitarika sy nanome voninahitra ny lanonana, izay nahitana ny Jly Razafimanantsoa Samuel, nisolo-tena ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy, ny Jly Razafindrakoto Lantoarinjaka komandin’ny Hery Fampandrosoana,  ny Jly Rakotoarimanana Théophile Claude, talen’ny Fitantanana ao amin’ny Tafika Malagasy, ary ny Jly Etono Avilaza Robert Bellarmin,  Komandin’ny Faritany miaramila faha-IV sy ireo manampahefana sivily, notarihin’ny Lehiben’ny Kabinetran’ny Faritra Boeny Hemedy, nisolo-tena ny Lehiben’ny Faritra.

SNatomboka tamin’ny andiana famindram-pibaikona izay notontosain’ny Kly Mampo Fulgence teo anivon’ny Holafy telo: ny Komandà Houmadi Abdillahi,  komandin’ny Holafy fibaikoana ny Rezimanta teo aloha nosoloin’ny Kapiteny Tongahasina Richade Francisse;  ny  Kapiteny Tantely komandin’ny Holafy 406 teo aloha nosoloin’ny Lietnà Razafimahatratra Damien, ary ny Kapiteny Patrick komandin’ny Holafy 408 teo aloha nosoloin’ny ny Kapiteny Lidwine.

Ny andiana famindram-pibaikona faharoa izay notontosain’ny  Jeneralin’ny Intendance Rakotoarimanana Théophile Claude dia izay nisy tamin’ny Kly Rabemazava Sylvain lehiben’ny Sampandraharahan’ny fitantanana faha-IV teo aloha sy ny Intendant Militaire Samse Assimo.

Nofaranan’ny Jly Razafindrakoto Lantoarinjaka tamin’ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Kly Mampo Fulgence, komandin’ny Rezimanta I eto amin’ny Faritany miaramila faha-IV teo aloha sy ny Kly Rafalimanana Léonard Gabriel izany andiana famindrana izany.

Tanelanelan’izay,  ny Kapiteny de vaisseau Vaohavy Andriambelonarivoavy dia nitarika ny famindrana faneva teo amin’ny Capitaine de vaisseau Tsiriniaina Gabriel,  Lehiben’ny Détachement Marine eto Mahajanga teo aloha sy ny Kapiteny de Fregate Razafindraibe Franck Aimé.

Matso miaramila notarihin’ny Kly Narivony José Marcellin lefitra voalohan’ny komandin’ny Rezimanta I, nandraisan’ireo miaramilan’ny rezimanta sy ny avy ao amin’ny Sampandraharahan’ny fitantanana faha-IV ary ny avy ao amin’ny Tafika andranomasina no namaranana ny lanonana taorian’izay.