Serge Girard arrivé à Mahajanga : il a fait le rituel des sept tours du Baobab

Ça y est,  c’est fait ! Serge est à Mahajanga depuis la matinée du dimanche 19 avril dernier. Il a parcouru les 570 km entre Tana et Mahajanga à pied. Les premiers sentiments à retenir c’est la chaleur. La chaleur des gens qui l’ont accueilli mais aussi la chaleur que ça fait à Mahajanga. Une équipe d’athlètes de la ligue régionale de l’athlétisme de Boeny ainsi que les 22 footballeurs d’Amborovy Mahajanga  ont rejoint Serge aux cinq derniers  kilomètres avant l’entrée de la ville.

CourezL’arrivée était fixée au pied du grand Baobab, au bord de la mer Mahajanga be, et y finissant la course, Serge et ses compagnons Majungais n’ont pas manqué de faire le rituel des sept tours du Baobab pour bien respecter la légende autour de cet arbre séculaire, et non moins symbole de la Cité des fleurs.

Un comité d’accueil dirigé par Guillaumette Alquier-Dupin et ses amis Majungais ainsi que les représentants de la Commune Urbaine de Mahajanga, la ligue régionale d’athlétisme et l’Office Régional du Tourisme Boeny ont honoré de leur présence, l’accueil de cet athlète de renommée internationale. Danses folkloriques, tam-tam, une ambiance toute festive,  ont couronné durant ce dimanche matin le pot d’arrivée au bord de la mer.

Serge prévoit partir pour d’autres horizons le 22 avril prochain. Il nous invite à le suivre sur les 43 000 kilomètres restants sur www.sergegirard.org

 Tonga eto Mahajanga i Serge Girard: ilay  mpihazakazaka manodidina izao tontolo izao

Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka teo anoloan’ilay Baobab be eny amoron-dranomasin’i  Mahajanga Be ilay  teratany frantsay mpihazakazaka manodidina izao tontolo izao, Atoa Serge Girard.

BienvenueNanomana sy nanotrona ny fitsenana azy ireo ekipan’ny Ofisim-paritry ny fizahatany eto Boeny  sy ny avy ao amin’ny  kaomina ambonivohitr’i Mahajanga, ny alahady 19 Aprily 2015, andro nahatogavany.

Ireo mpandraharaha ara-pizahantany Malagasy Tours no nitarika ity mphiazakazaka ity niainga avy any Antananarivo ny 13 Aprily 2015.

Nitsena azy tany amin’ny dimy kilometatra hiditra ny tanànan’i Mahajanga, teny amin’ny fokontany Anantambao Sotema ireo tanora mpanao hazakazaka ara-pantanjahatena ao amin’ny ligim-paritry ny atletisma  eto Boeny sy ireo mpilalao kitra 22 lahy avy ao  Amborovy Mahajanga,  ka niaraka nanohy nihazakazaka tamin’i Serge mandra-pahatonga teny amoron-dranomasin’i Mahajanga be.

Les sept toursHo fanajana ilay fomban-tany fanaon’ny vahiny sambany vao tonga eto Mahajanga,  dia nihodina im-pito manodidina ilay  Baobab be famantarana ny tanànan’i Mahajanga i Serge.

Hihazo an’i Mozambika izy afaka telo andro amin’ny alalan’ny  lakankely ho an’olo-tokana na  kayak araka ny fandaharam-potoana natolony.

Tsiahivina fa ny voalohan’ny  volana Martsa no nanombohany an’izao hazakazaka izao tao amin’ny Nosy La Réunion, ary niditra tao  Sainte Marie izy nihazo an’i Madagasikara ny 29 Mars 2015,  ary izao eto Mahajanga izao izy sy ny ekipany mpanara-dia sy mpisava làlana.

Manana fanamby hivohy lakakely kayak eo amin’ny 30 000km i Serge araka ny voalazany ary hanao hazakazaka 15 000km, izay ataony  manerana izao tontolo izao ka tsy hifarana izany hoy izy raha tsy amin’ny volana novambra 2016,  ao La Réunion ihany.

Marihina fa tao anatin’ny 19 andro izy dia efa nahatratra 1 035 kilometatra no vitany ary  55kilometatra isan’andro no enjehiny.

Manambady ary manan-janaka telo i Serge Girard, 61 taona izy amin’izao fotoana. Manentana ireo tanora manerantany izy mba ho tia fanatanjahantena,  indrindra ny hazakazaka fa anisan’ny mampateza vatana sy mahasalama io hoy izy.