Accidents de la route 2015 : six mineurs ont été victimes

Selon l’association des Transporteurs régionaux de la Région Boeny, six mineurs ont été victimes des accidents de la route causés par les véhicules  de ces transporteurs depuis le début d’année. Pour l’association des transporteurs nationaux à Aranta Mahajanga  cinq accidents, dont trois sont mortels, ont été enregistrés depuis le mois de janvier contre 10 accidents recensés sur toute l’année 2014. Ces informations ont été recueillies lors de la première journée de la Semaine mondiale pour la Sécurité Routière à Mahajanga lundi 04 avril 2015.

SONY DSC             Deux élèves primés à hauteur de 30 000 ariary chacun suite à une question-réponse sur la sécurité routière improvisée par les organisateurs, une marche pour la sécurité routière à laquelle ont participé 206 établissements scolaires, les autorités locales, les représentants de quatre ministères à savoir celui du Tourisme, des Transports et de la Météorologie,  celui de l’Education nationale, celui l’Artisanat et de la Culture et celui de la Population, les forces de l’ordre, les associations des transporteurs nationaux et régionaux.

Des discours se sont relayés et où trois élèves ont participé pour lire « La déclaration des enfants pour la Sécurité Routière ».  La Semaine Mondiale pour la Sécurité Routière sera marquée du 04 au 10 mai 2015 dans la Ville des Fleurs.

Concernant la Région Boeny, le Chef de Région Saïd Ahamad Jaffar a pris des mesures préventives suite aux accidents mortels survenus sur la RN4, causés par les transporteurs nationaux en février 2015.  Avec la collaboration de la Région Betsiboka, des aires de repos obligatoires d’une durée de 30 minutes minimum sont créées à Ambondromamy pour les taxi-brousses en provenance de la Capitale,  et à Mahatsinjo pour ceux qui sont en provenance de Mahajanga.

Lozam-pifamoivozana 2015 teto Boeny: ankizy tsy ampy taona enina no maty niharan-doza

S

Nambaran’ireo mpitatitra isam-paritra ato amin’ny Faritra Boeny fa nahatratra enina  ny ankizy tsy ampy taona maty vokatry ny lozam-pifamoivozana nateraky ny mpitatitra ny fiandohan’ny taona no mankaty.

Ho an’ireo mampiasa ny zotra nasionaly kosa dia dimy ny lozam-pifamoivozana nitranga ka ny telo dia nahafaty olona avokoa tamin’ity taona ity raha toa ka folo no fitambran’ny lozam-pifamoivoizana nitranga nandritra ny taona 2014. Fantatra izany nandritra fanokafana ny Herinandro maneran-tany ho an’ny aro lozan’ny fifamoivozana teto Mahajanga ny alatsinainy 04 may 2015.

S                     Mpianatra roa nifaninana tamina fanontaniana mikasika ny loha-hevitra naroson’ny mpikarakara no notolorana lela-vola 30 000 ariary.  Nisy ny diabe ho an’ny aro lozan’ny fifamoivozana izay nandraisan’ny sekoly miisa 206, ny manam-pahefana eto an-toerana, ny solotenan’ny ministeran’ny Fitanterana, ny Fanabeazam-pirenena, ny Asa-tànana sy ny Kolotsaina,  ary ny Mponina, ny mpitandro ny filaminana, ny fikambanan’ny mpitatitra nasionaly sy isam-paritra.  Ary kabary izay nandraisan’ny mpianatra telo anjara namaky ny “Fanambaran’ny ankizy mikasika ny aro lozan’ny fifamovoizana”. Ireo no nanamarihana ny fanokafana Herinandro maneran-tany ho an’ny aro lozan’ny ifamoivozana teto Mahajanga izay haharitra hatramin’ny 10 mai 2015.

SHo an’ny Faritra Boeny manokana, dia nisy fanapahan-kevitra avy amin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar hisorohana ny lozam-pifamoivozana amin’ny làlam-pirenena faha-IV, izay niaraha-namolavola tamin’ny Faritra Betsiboka.  Noforonina ireo toeram-pialan-tsasatra eo ho an’ireo mpitondra taxi borosy zotra nasionaly avy any Antananarivo eo Ambondromamy ary eo Mahatsinjo ho an’ireo avy aty Mahajanga. Tsy maintsy maka aina eo izy ire mandritra ny 30 minitra fara-fahakeliny.

Izany no natao dia noho ny fahitan’ireo tompon’andraikitra ireo loza nifanesy nahafatesana olona maro ny Volana febroary lasa teo.