Boeny : un atelier de lancement sur l’appel à proposition dans le cadre du « Projet Biodiversité de la COI » Madagascar

Le Chef de Région Boeny Saïd Ahamad Jaffar cautionne d’une manière inconditionnelle tous projets visant à la sauvegarde de la biodiversité.

Lors de l’ouverture officielle de l’atelier de lancement sur l’appel à proposition dirigé par la Direction régionale de l’Environnement, de l’Ecologie, de la Mer et des Forêts à l’Hôtel du Phare, à la Corniche Mahajanga le lundi 13 juillet 2015, il s’est adressé à l’endroit des intéressés de fournir des réponses positives, des conseils pratiques et efficaces pour préserver au maximum la biodiversité et les espèces endémiques de la région. De continuer que Madagascar, étant  membre à part entière de la Commission de l’Océan Indien, bénéficie ainsi tous les projets de développement dispensés au sein de l’organisation.

En effet, l’événement entre dans le cadre du Projet de gestion de la biodiversité marine et côtière spécifique aux îles et aux Etats-côtiers de la région africaine australe-OI, et qui est financé par l’Union européenne.  Sa mise  en œuvre revient à  la COI à hauteur de 4,5 millions d’euros  d’Avril 2014 à Février 2018. 13 régions côtières de Madagascar vont bénéficier directement de ce projet. Pour la région Boeny, elle compte quatre aires protégées dont Ankarafantsika à Ambato Boeny, le Complexe Mahavavy-Kinkony et Atrema à Mitsinjo, Baie de Baly à Soalala qui nécessitent une surveillance étroite afin de réduire les 1,20% de dégradation annuelle de  la biodiversité dans la région Boeny. Ces données étant enregistrées par le MEEMF.

L’appel à proposition est ouvert depuis le 07 juillet jusqu’au 21 août 2015 à des organisations locales, nationales et internationales avec des financements allant de 25 000 à 100 000 euros par projet. Chaque intéressé peut se voir financer deux projets à la fois au maximum si ces derniers sont évidemment éligibles.

Soutenir la contribution de la biodiversité au développement économique et aux moyens de subsistance durables, appuyer l’éducation et la sensibilisation relatives à la gestion de la biodiversité ainsi que les outils de communication à l’attention des décideurs sont parmi les résultats attendus pour chaque projet.

L’objectif du projet est de promouvoir le développement économique durable dans les îles et les Etats-côtiers de l’Océan Indien.

Le DREEF Boeny

Atrik’asa hiantsona tolo-kevitra fiarovana ny tontolo iainana araka ny Tetik’asan’ny COI

Ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar dia manohana tsy misy fepetra ny tetik’asa rehetra mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa hiantsona tolo-kevitra fiarovana ny tontolo iainana nataon’ny Foibem-paritry ny Tontolo iainana, ny Haivoahary, ny Ranomasina ary ny Ala tao amin’ny Hôtel du Phare teny amin’ny la Corniche Mahajanga ny 13 jolay 2015 no nanentanan’’ny Lehiben’ny Faritra ireo rehetra liana mba hanome valiny marina sy toro-hevitra mafonja azo hampiarina tsara ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo zava-manan’aina tsy fahita raha tsy eto amin’ny Faritra. Nambarany fa rariny raha mahazo famatsiam-bola tahaka izao i Madagasikara satria mpikambana feno ao anatin’ny Kaomision’ny Ranomasimbe Indiana na ny COI.

Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ilay tetik’asa hitantanana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny moron-tsiraka ao amin’ireo nosy sy ny firenena amoron-dranomasina ao antin’ny  faritra afrikana tapany atsimo sy ny Ranomasimbe Indiana. Ny Vondrona Eropeanin mamatsy  vola izany hatrany amin’ny  4,5 tapitrisa euro, ary ny COI no manatanteraka azy, nanomboka ny aprily 2014 ka hatramin’ny febroary 2018 no faharetany.

Faritra 13 manamorona ranomasina eto Madagasikara no hahazo tombotsoa mivantana amin’ny tetik’asa. Ho an’i Boeny manokana dia misy faritra arovana 4, Ankarafantsika ao Ambato Boeny, ny Tambatra Mahavavy-Kinkony sy Atrema ao Mitsinjo, ary ny Baie de Baly ao Soalala izay samy mila fanaraha-maso akaiky  mba hampihenana ny fahasimban’ny tontolo iainana izay mahatratra 1,20% isan-taona araka tatitra nataon’ny MEEMF.

Nisokatra ny 07 jolay ary hifarana ny 21 aogositra ny antso ho an’ireo fikambanana isam-paritra sy manerana ny Nosy ary iraisam-pirenena ka 25 000 hatramin’ny 100 000 euro no famatsiam-bola. Izay manolotra tetik’asa roa samihafa dia afaka vatsiana vola avokoa raha toa ka lany izany.

Manohana ny fampandraisan’anjaran’ny tontolo iainana ho amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena sy ny fandrosoana maharitra. Manohana ny fanabeazana sy ny fanentanana mifandraika amin’ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny fampiasana ny serasera ho an’ireo manam-pahefana mpanatanteraka no anisany andrasana amin’ireo tetik’asa.

Ny tanjon’ny tetik’asa dia ny mba hisian’ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny Nosy sy ny Firenena amoron-tsiraka eto amin’ny Ranomsim-be indiana.