Angonoky tratra tao Namakia

Sokatra Angonoky iray efa maherin’ny telo-polo taona, saika nisy hanondrana no tratran’ny mpitandro filaminana tao Namakia ny Alakamisy 18 febroary lasa teo.

Ireo avy ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Namakia, distrikan’i Mitsinjo no nahatratra ity sokatra ity. Gony iray nisy nanipy amoron-dàlana no hitan’ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana. Rehefa nosavaina io gony io dia sokatra angonoky iray no tao.

Tonga avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny Tontolo iainana sy ny Talen’ny Valan-java-boaharim-pirenena ao amin’ny helodranon’i Baly ao Soalala raha vao naharay ny antson’ireo mpitandro filaminana ireo.   Ary naka ilay sokatra ho averina faran’izay haingana indrindra any amin’ny fonenany voajanahary any Baly .

Tsiahivina fa ny angonoky dia karazan-tsokatra mampiavaka antsika eto amin’ ny faritra Boeny, satria dia ao Soalala irery ihany no ahitana azy manerana izao tontolo izao.

Raha afo no tsindry nahazo ireo angonoky ireo teo aloha teo,  dia mirongatra izay tsy izy tato anatin’ny folo taona izao hoy ireo tompon’andraikitra ny fangalarana sy fanondranana an-tsokosoko, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao.  Fotoana ivoahan’ireto sokatra ireto mantsy izao any amin’ny toerana misy azy hoy ny avy ao amin’ny Tontolo iainana (DREEMF Boeny), rehefa avy natory nandritra ny vanim-potoanan’ny main-tany izy ireo.

Tany an-toerana ihany koa ny solotenan’ny  DURRELL,  izay fikambanana anglisy nanankinan’ny Fanjakana Malagasy ny fitahirizina sy fikarakarana manokana ireto harem-pirenena ireto.  Nanaporofo izy ireo tamin’izany fa tena avy ao amin’ny Valan-javaboaharin’i Baly,  ao Soalala marina ity sokatra tratra ity.

2-Teo @ io faritra maintyMitondra ny laharana famantarana manokana 00 03 MG-1993  ity ramiadana ity ao an-damosiny, ary efa maherin’ny telo-polo taona eo izy.  Mbola tavela teo amin’ny  lamosiny ny marika  nametrahana ny émetteur izay fanarahan-dia ny toerana rehetra izay misy azy. Saingy  efa noesorin’ireo  nikasa hanondrana azy moa izany émetteur izany. Mizarazara ho zana-paritra 05 ny velaran-tany 50ha izay honenan’ireo sokatra angonoky ao Baly, ka avy ao amin’ny zana-paritra atao hoe Sada no fiavin’ity nisy nangalatra ity.

Ny feo nihely tao an-toerana, araka ny voalazan’ny avy ao amin’ny DURRELL dia maromaro no tao anatin’ilay gony fa io iray io sisa no tratra.

Tsara ny manamarika, fa amin’ny maha harem-pirenena sarobidy ny angonoky dia raràn’ny lalàna ary mahavoasazy ny fanalàna azy ireo any amin’ny toerany voajanahary,  indrindra moa fa ny fanondranana izany.

Ny zava-misy nefa ankehitriny, dia toa minia manao zinona izany lalàna izany hatrany ireo mpanao trafika.  Asa angamba,  mafy mandilatra  ireo kakapon-tsokatra ny fiarovana hananan’izy ireo ao an-damosiny ka tsy misy tahotra ny ho voasazy akory izy ireo raha tratra ?

4-Atoa ANDRIANJARA Amavatra Hérvé 3- Atoa RAKOTOSALAMA A