Mahajanga: Fankalazana ny andron’ny Zandarimariam-pirenena

“Fahatokisan’ny mpiara-belona ny zandary, no tanjona ezahinay apetraka”

Hoy ny Komandin’ny CIRGN Mahajanga, ny Kly Mananga Jean Manasse raha niara-nankalaza tamin’ireo namany manerana ny Nosy ny andron’ny 01 aprily ny Zandarimariam-pirenena teto Mahajanga ny zoma lasa teo,  tao amin’ny toby Kolonely Jean Philippe Mahajanga be.

Filaharana namakivaky ny tanàna niarahan’ireo zandary am-perinasa eto an-toerana sy ireo efa nisotro ronono no nanombohana io andron’ny zandary io teto Mahajanga.

Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana tao amin’ny toby ihany no nanokafana ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy. Izay nanasana ireo manam-pahefana sivily sy miarmila eto an-toerana notarihin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar.

SONY DSC

Fampiratiana ireo fitaovana nampiasain’ny Zandarimaria hatrizay entina hitandroana ny fandriam-pahalemana sy ho fiarovana ny tanindrazana, narahina  fampahafantarana ny andraikitra sahanin’ny Zandarimariam-pirenena no nanohizana ny fotoana.

Nisy avy eo loha-bary an-dasy,  nandraisan’ny mpanao gazety sy ny sivily anjara, mikasika ny loha-hevitry ny fankalazana ny 01 aprily 2016 “Zandarimaria raharaham-panjakana mivelatra ho an’ny rehetra manefa tamberina sy andraikitra amin’ny mpiara-belona”.

Fifaninanana ara-panatanjahatena izay nifanaovan’ny zandary lehilahy sy vehivavy tao amin’ny kianjan’ny toby ihany no namaranana ny andron’ny zandary teto Mahajanga.

SONY DSC

SONY DSC

SONY DSC