Mahajanga: Zandary mpiana-draharaha vaovao 162 no navoaka

“Fitsipi-pifehezana sy firaisan-kina no teny filamatra ezahinay apetraka”

Hoy ny Komandin’ny CIRGN Mahajanga, ny Kly Mananga Jean Manasse raha niara-nankalaza tamin’ireo namany manerana ny Nosy tamin’ny famoahana ireo Zandary  andiany faha 71 ny 22 aprily 2016 teto Mahajanga ny zoma lasa teo,  tao amin’ny toby Kolonely Jean Philippe Mahajanga be.

Andiany faha-71 tao amin’ny sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra ireto Zandary  mpiana-draharaha navoaka ireto.  Feno 89 andro katroka tamin’io andro io ny nigadonan’ireo Zandary  ireo teto amin’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenenan’i Mahajanga.

Nandritra izay fotoana izay no  nanarahan’izy ireo fiofanana, ary fanamafisana sy fanampin’izay norantovina tany Ambositra.

SONY DSCSaika avy amin’ny faritra Boeny, Sofia,  Betsiboka ary Melaky no ankamaroan’ireo Zandary  navoaka izay  miisa 162 ka ny 134 lehilahy, ary 28 vehivavy. Ny nampiavaka azy dia nahazo Zandary  maro miisa 71 ny faritra Melaky raha oharina tamin’ny taona lasa.

Raha atao anefa ny fampitahana, dia kely sy bitika eo anatrehan’izay mbola ho atao izay vita izay, ary mila fiezahana mafy sy fandavan-tena hikatsaka ny mahomby sy ny ara-dalàna hatrany hoy ny Kly Mananga Jean Manasse, nanafatrafatra ireo miaramilany vaovao ireo.

Fanarahan-dalàna