Boeny: hotanterahina eto Mahajanga ny lalao ASOIMI nasionaly 2016

Ny faritra Boeny no hampiantrano ny lalao ara-panatanjahan-tena iraisan’ireo mpiasam-panjakana manerana an’i Madagasikara na ny ASOIMI (association des omnisports inter-ministériels) andiany faha 16 atao ny 24 aogositra hatramin’ny 04 septambra 2016.

Hazakazaka  namakivaky ny tanàna niainga        teo amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga ary nifarana teny amin’ny Lapan’ny Faritra eny amin’ny Bord Mahajanga  Be no nanokafana ny taom-pilalaovana ASOIMI 2016  ny sabotsy 0 4 jona lasa teo.

SONY DSC

Ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar, sady filoham-paritry ny ASOIMI miaraka amin’ny  Filoha nasionalin’ny ASOIMI Atoa Jean Bruno Abel Randriamiarinarivo no nitarika ireo solotenan’ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny eto Mahajanga izay handray anjara amin’izany lalao iraisana izany.

Ny toe-tsaina voalohany indrindra tokony  hananan’ny mpiasam-panjakana mpilalao izay mandray anjara, mba ho fitaratra ho an’ny rehetra, dia ny fanajana ny fitsipi-pifehezana napetraka eo amin’ny sehatry ny lalao ara-panatanjahatena toy itony, fa izany no mampiseho ny fifanajana sy firaisan-kinan-tsika hoy ny hafatra fohy nataon’ny Lehiben’ny Faritra, ho an’ireo mpandray anjara amin’ity lalao ASOIMI faha-16 ity.

Hisy ny fifaninana isam-paritra mandra-pahatongan’ny fifanitsanana nasionaly atao aty Mahajanga ny volana aogositra io. Taranja enina ambiny folo  no hifanitsanan’ireo mpandray anjara amin’ny sehatra nasionaly amin’ny volana aogositra.

Valo kosa izany ho an’i Boeny ka ny Basket-Ball nifanaovan’ny ekipan’ny Faritra Boeny sy ny ekipan’ny mpiasan’ny Oniversiten’i Mahajanga no nanombohana ny fifanitsam-paritra ny alahady 05 jona 2016.  Nandresy tamin’ny isa 25 noho 24 ny ekipan’ny Faritra.

SONY DSC