Daily Archives: 27 septembre 2016

Ambatoboeny: tratra ny andian-dahalo “tarika Barinjaka”, anisan’ireo nitetika zandary tao Anjiajia

Tratra tao amin’ny fokontanin’Antsoherinakanga kaominin’ambanivohitra Anjijia, distrikan’Ambatoboeny ny zoma 23 septambra 2016 maraina tokony ho tamin’ny enina ora ireo dahalo rain-dahiny atao hoe tarika Barinjaka. Noho ny firogatry ny asan-dahalo tato ho ato taty Anjijia, Ankazoabo ary ny manodidina an’Ambatoboeny dia nanapa-kevitra ny ao anivon’ny kaompanian’ny zandarimaria ao an-toerana ny hanao hetsika manokana hiadiana amin’ny