Nohamaivanin’ny fitondram-panjakana ny vesatry ny ray aman-dreny

Nitsidika ny Vahoakan’i Mahajanga ny zoma faha 16 septambra 2016 ny  Filoham-pirenena Atoa Hery Rajaonarimampianina.

Fitokanana foto-drafitr’asa , fizarana Kits Scolaires ary fitsidihana ireo fandaharan’asan’ny Filoham-pirenana izay efa vita na mbola  eo ampanan-tanterahana, ireo no anton-diany sy ireo delegasionina nanaraka azy taty Mahajanga ny zoma tontolo andro lasa teo.

Ny Lehiben’ny Faritra Boeny Atoa Saïd Ahamad Jaffar dia nanolotra fisaorana feno ny andrim-panjakana izay tarihan’Atoa Hery Rajaonarimampianina. « Zava-dehibe tokoa izao fanolorana kits Scolaires izao satria mampihena ny vesatry ny ray aman-dreny, ary mampirisika azy ireo hampiditra ny zanany any an-tsekoly indrindra ho an’ireo ankizy any am-banivohitra » Notsindriny Atoa Lehiben’ny Faritra manoka teto  fa manao ezaka lehibe tokoa ny fitondram-panjakana ankehitriny eo amin’ny lafiny sosialy ka ohatra mitohaka amin’ny tenda izao foto-drafitr’asa notokanana teto amin’ny faritra Boeny izao hoy hatrany izy teo ampamaranana ny lahateniny.

SONY DSCSONY DSC

Biraon’ny ivotoeram-paritra  ho an’ny fampananan’asa, ny fampianarana ara-tekinika ary ny fampiofanana arak’asa ao Mahavoky Atsimo, efitrano fianarana 04 ho an’ny EPP Fiharovana Ampisikina moa no voatokana tamin’io andro io. Fitaovam-pianarana mahatratra hatrany amin’ny  4500000 ho zaraina eto Madagasikara ka  131000 amin’ireo no voatokana ho an’i faritra Boeny. Mbola teo ihany koa ny fanolorana tablette miisa 150 ho an’ireo tanora mpianatra ao amin’ny sampana tekinika ary seza miisa 150 ihany koa no natolotra ho an’ny kaominina ambonivohitry ny Mahajanga.

« Ny fampandrosoana dia isika no manao azy miaraka ary ny fampandrosoana eto Mahajanga no modely amin’izany fampandrosoana izany ho an’i Madagasikara. » Hoy hatrany Atoa Filoham-pirenena ary notsindriny ihany koa fa « tsy niandry 50 na 10 taona ny fitondram-panjakana izay tarihiny fa tao anatiny roa taona monja dia efa nahavita nametraka ny ampahany amin’ireo fampandrosoana ireo. »

SONY DSC

SONY DSC

SONY DSC

SONY DSC