Monthly Archives: octobre 2016

Faritra Boeny: nahazo fankatoavana ny fampiharana ny Dinan’ny Boeny Miray Dia

Voarafitra ary nahazo fankatoavana avy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Mahajanga ny fampiharana ny Dinan’ny Boeny Miray Dia, izay mifehy ny fandriampahalemana eny ambanivohitra amin’ny ankapobeny. Nampahafantatra tamin’ny vahoaka tamin’ny alàlan’ny fampiantsoana  mpanao gazety eto Mahajanga izany ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar ny alatsinainy 17 oktobra 2016 tao amin’ny biraony ao amin’ny

Mahajanga-Tanàna madio: un total de 5 millions d’ariary comme récompense

La distribution des prix du concours « Tanàna madio » a été effectuée le vendredi 21 octobre 2016 à l’Hôtel de Ville de Mahajanga. Ce concours Tanàna madio a été organisé par la Commune urbaine de Mahajanga dans le cadre d’assainissement de la ville avec l’IRCOD (Institut régional de coopération-développement), le projet français de coopération décentralisée Mahajanga-Alsace.

Faritra Boeny: atrik’asa fakan-kevitra isam-paritra ho an’ny fanabeazana

Notanterahina ny talata 04 oktobra 2016 tao amin’ny école normale Mahabibo Mahajanga ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy  ny atrik’asa fakan-kevitra isam-paritra ho an’ny fanabeazana, izay maharitra telo andro ny 04, 05, 06 oktobra 2016. Natao izao atrik’asa izao mba hanatsaràna ny fianarana, ny fanabeazana eto amin’ny tany sy ny fanjakana manomboka ety ifotony mandalo

59, 4% de la population de la région Boeny sont encore pauvres

Le Ministère de l’Economie et du Plan,  en collaboration avec la Région Boeny,  a donné un atelier d’information et de sensibilisation sur l’Objectif de Développement Durable (ODD) et le Système Régional  Intégré de Suivi Evaluation  à l’hôtel Le Coco Lodge Mahajanga Be le Vendredi 14 octobre 2016. Le problème du sous-développement est surtout psychologique, et

Faritra Boeny: natomboka tany Soalala ny fametrahana ny Dinan’I Boeny Miray Dia

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny distrikan’i Soalala tao amin’ny tranom-pokonolona ny bokin’ny Dinan’i Boeny Miray Dia ny alakamisy 20 oktobra 2016. Ity boky ity dia mbola vaovao amin’ny be sy ny maro, nisy ny fanazavana an’izany isaky ny andininy tamin’ireo fokonolona. Ary mba hampazava azy bebe kokoa, dia nametraka fiaraha-miasa amin’ny haino aman-jery sy

Anjiajia -Ambatoboeny: ho lasa tanàna fieren-dahalo raha tsy andraisana fepetra

Dahalo roa indray no tratran’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny Alahady 02 oktobra 2016. Tafa-poritsaka ny iray, ary maty kosa ny iray rehefa nitifitra zandary nefa  tsy nahavoa, ka namaly ireto farany. Mbola mitohy ny hetsika manokana iadiana amin’ny asan-dahalo ao amin’ny faritra Ambatoboeny sy ny manodidina. Tanàna malaza amin’izany ny kaomina Anjijia, izay

Zokiolona ao Marovoay: nahazo trano fialam-boly misy fitsaboana maimaim-poana

Tany Marovoay, faritra Boeny no nosafidin’ny ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy nanatanterahina ny fanamarihana nasionaly ny andro irasam-pirenena ho an’ny Zokiolona ny sabotsy 01 oktobra 2016. Filaharana namakivaky ny tanàna niarahan’ireo fikambanan’ny Zokiolona tao amin’ny distrikan’i Marovoay no nanokafana ity andro ity. Tany an-toerana ny Ministry ny Mponina,

Harena an-kibon’ny tany-Lanja miakatra: hivondrona ho hery ireo Mpitrandraka eto Boeny mba tsy ho voambaka

Anjaran’ireo Mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto amin’ny  faritra Boeny indray ny zoma 30 septambra sy ny  sabotsy 01 oktobra lasa teo no nandray ny atrik’asa atao hoe Lanja miakatra 2016 karakarain’ny Komitim-pirenen’ny Harena an-kibon’ny tany na CNM (Comité national des mines), taorian’I Betsiboka. Tsiahivina fa ny ministera eo anivon’ny Fiadidina ny Repoblika, misahana ny Harena

Boeny: notokanana ny hopitaly Candide Antanimasaja

Notanterahina ny alakamisy 29 septambra 2016 ny lanonana fitokanana ny Hopitaly tsy miankina Candide izay miorina ao amin’ny VIM Antanimasaja, Mahajanga. Nosokafana tamin’ny sorona masina sy fitsofan-drano ireo mpiasa miisa 19 mianadahy ao amin’io hopitaly io ny fankalazana. Ny taona 2004 no niorina ity tobim-pahasalamana eto amin’ny VIM ity. Mbola Dispensaire ihany izy tamin’izany, ary