Daily Archives: 4 octobre 2016

Zokiolona ao Marovoay: nahazo trano fialam-boly misy fitsaboana maimaim-poana

Tany Marovoay, faritra Boeny no nosafidin’ny ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy nanatanterahina ny fanamarihana nasionaly ny andro irasam-pirenena ho an’ny Zokiolona ny sabotsy 01 oktobra 2016. Filaharana namakivaky ny tanàna niarahan’ireo fikambanan’ny Zokiolona tao amin’ny distrikan’i Marovoay no nanokafana ity andro ity. Tany an-toerana ny Ministry ny Mponina,

Harena an-kibon’ny tany-Lanja miakatra: hivondrona ho hery ireo Mpitrandraka eto Boeny mba tsy ho voambaka

Anjaran’ireo Mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto amin’ny  faritra Boeny indray ny zoma 30 septambra sy ny  sabotsy 01 oktobra lasa teo no nandray ny atrik’asa atao hoe Lanja miakatra 2016 karakarain’ny Komitim-pirenen’ny Harena an-kibon’ny tany na CNM (Comité national des mines), taorian’I Betsiboka. Tsiahivina fa ny ministera eo anivon’ny Fiadidina ny Repoblika, misahana ny Harena