Boeny: notokanana ny hopitaly Candide Antanimasaja

Notanterahina ny alakamisy 29 septambra 2016 ny lanonana fitokanana ny Hopitaly tsy miankina Candide izay miorina ao amin’ny VIM Antanimasaja, Mahajanga.

Nosokafana tamin’ny sorona masina sy fitsofan-drano ireo mpiasa miisa 19 mianadahy ao amin’io hopitaly io ny fankalazana.

Ny taona 2004 no niorina ity tobim-pahasalamana eto amin’ny VIM ity. Mbola Dispensaire ihany izy tamin’izany, ary olona roa nahazo fahazoan-dàlana tamin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no nampiodina azy.

Nitarina ho hopitaly izy io taty aoriana noho ny filan’ny olona teto an-toerana izay lavitra toeram-pitsaboana.  Fanomezana avy amin’ny Fondation Akbaraly sy ny fikambanana Alessandro Cevese avy any  Italy io fanitarana io tamin’ny taona 2008. Ka ankoatra ny toeram-pitsaboana ankapobeny ho an’ny rehetra sy ny trano fiterahana, dia misahana manokana ny fahasalaman’ny vehivavy ny hopitaly Candide, amin’ny alàlan’ny ivotoerana fitsirihana sy fisorohana ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza sy ny nono nanomboka ny taona 2012.

Misy efitra valo ity hopitaly vao notokanana ity, izay mitsinjara ho fandraisana marary iray, fanaovana fitsirihana iray, fiterahana, fanaovana écographie iray, fitiliana ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza sy ny nono roa, trano ho an’ny marary didina iray, ary mbola eo an-dàlam-panamboarana ny trano fandidiana iray.

2Raiso ny adidy sy andraikitra amin’ireo vahoaka marary tonga manantona anareo satria ny fahasalamana no lova tsara indrindra hoy ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar tamin’ireo mpitsabo.

Anisan’ireo olo-manakaja nanatrika ny lanonana ny Ben’ny tanànan’I Mahajanga, ary ireo vahiny nisolo-tena ny Fondation Akbaraly sy ny  fikambanana  Alessandro Cevese avy any Italy.

6 5

4 1