Monthly Archives: décembre 2016

Boeny consomme 260kg de charbon de bois par personne par an

260kg par personne par an, avec une population environnant les  900 000! Telle est la consommation moyenne en charbon de bois à Boeny. Face à l’exploitation sauvage des ressources en bois-énergie dans la région, la PREEB (Plateforme régionale d’échange sur l’énergie biomasse) a élaboré  un Plan régional en énergie Biomasse pour Boeny  de 2016 à 2020.

Miparitaka etsy sy eroa ny zava-mahadomelona

Rongony  milanja 17 kilao, ary paraky gasy milanja 74 kilao no saron’ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny zandarmariam-pirenena  ao amin’ny kaomina Manerinerina, distrikan’Ambatoboeny  ny harivan’ny alatsinainy faha 19 desambra lasa teo. Taorian’ny « opération MAZAVA » dia nanatanteraka fanakanana ireo fiara rehetra mandalo ao Manerinerina ireo zandary any an-toerana hitandroana ny fandriam-pahalemana amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krisimasy

Zazavao 2016/1 Mahajanga: miaramila miara-miasa, tsy mifandao, tsy mifanary

Miaramila miara-miasa, tsy mifandao, tsy mifanary na an-tsaha, na an-tanety na an-drenivohitra. Io no teny fanevan’ireo andian-jatovo malagasy miaramila miisa 72, toko taona 2016 andiany voalohany natao fitsofan-drano ambany faneva tao amin’ny toby kly Rasolonjatovo Claude Armand, rezimanta voalohany ao Androva,  faritany miaramila faha-efatra Mahajanga ny Alarobia 14 desambra 2016. Ny fampanaovana fianihanana sy velirano

Mahajanga-Fanomezana faran’ny taona: ny sekolim-bahoaka no omen-tombotsoa

Nanolotra fanomezana ho an’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany vitsivitsy ny orinasa SOMAPÊCHE na Société Malgache de Pêcherie ny talata 13 desambra 2016. Teny amin’ny orinasany teny Mahajanga be no nanatanterahana izany fanolorana izany, izay natrehin’ny Préfet an’i Mahajanga, Atoa Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana, notron’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar, sy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena eto

Fonjan’I Mahajanga: “…mavesatra ny asan’ny mpandraharaha ny fonja”

Ny olona voafonja manana talenta amin’ny famokarana arak’asa hiomanany amin’ny fiverenana eny amin’ny fiaraha-monina. Izay no lohahevitry ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’olombelona teto Mahajanga, tao amin’ny Fonjaben’I  Marofoto ny 10 desambra 2016. Voafonja miisa 895 no tazonina ao.  Avy amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, Ambatoboeny, Maevatanana, Soalala, Mahajanga I sy II izy ireo ka ny 341

Antsakoamileka-Soalala: efa 70 isan-jaton’ny tanàna no tsy mijangoany intsony

Nosafidina manokana ny kaominin’Antsakoamileka, distrikan’i Soalala tamin’ny fankalazam-paritra ny Andro maneran-tany ho an’ny trano fivoahana ny alakamisy 08 desambra 2016. Araka ny tomban’ezaka taorian’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tay ankalamanjana natao tamin’ireo kaominina 46 ato anatin’ny faritra Boeny, dia ny kaominina ambanivohitr’Antsakoamileka no efa lasa lavitra amin’ny fahadiovana. Satria mora nentanina sy nobeazina ireo mponina ka

Andro ho an’ny Sembana: mbola mahatsapa fanilikilihana ankolaka ireo eto Mahajanga

Manampy ny olona manana ny fahasembanana hiala amin’ny fahantrana, fanabeazana mampiaty, asa mendrika, ary fahafahana mivezivezy no loha-hevitry ny andro manerantany ho an’ireo manana fahasembanana, izay nomarihina teto Mahajanga ny sabotsy 03 desambra 2016, teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Mbola misedra olana amin’ny fivezivezena eny amin’ny biraom-panjakana izahay, indrindra amin’ny fiakaran-tohatra hoy ny mpitondraten’ireo sembana eto

1 desambra 2016: olona 535 ireo voaisa mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Mahajanga

Nanamarika ny 01 desambra, Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tsimok’aretina VIH SIDA ny teto Boeny tamin’ny alàlan’ny fitiliana rà faobe maimaim-poana mandritra ny roa andro ao amin’ny CHU Mahavoky Atsimo, CSI (Centre de Soins Intégré) Mahabibo ary eny amin’ny CSB Tanambao Sotema. Ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar  niaraka tamin’ireo talem-paritra isan-tsokajiny, no nisantatra