Daily Archives: 16 décembre 2016

Antsakoamileka-Soalala: efa 70 isan-jaton’ny tanàna no tsy mijangoany intsony

Nosafidina manokana ny kaominin’Antsakoamileka, distrikan’i Soalala tamin’ny fankalazam-paritra ny Andro maneran-tany ho an’ny trano fivoahana ny alakamisy 08 desambra 2016. Araka ny tomban’ezaka taorian’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tay ankalamanjana natao tamin’ireo kaominina 46 ato anatin’ny faritra Boeny, dia ny kaominina ambanivohitr’Antsakoamileka no efa lasa lavitra amin’ny fahadiovana. Satria mora nentanina sy nobeazina ireo mponina ka

Andro ho an’ny Sembana: mbola mahatsapa fanilikilihana ankolaka ireo eto Mahajanga

Manampy ny olona manana ny fahasembanana hiala amin’ny fahantrana, fanabeazana mampiaty, asa mendrika, ary fahafahana mivezivezy no loha-hevitry ny andro manerantany ho an’ireo manana fahasembanana, izay nomarihina teto Mahajanga ny sabotsy 03 desambra 2016, teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Mbola misedra olana amin’ny fivezivezena eny amin’ny biraom-panjakana izahay, indrindra amin’ny fiakaran-tohatra hoy ny mpitondraten’ireo sembana eto

1 desambra 2016: olona 535 ireo voaisa mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Mahajanga

Nanamarika ny 01 desambra, Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tsimok’aretina VIH SIDA ny teto Boeny tamin’ny alàlan’ny fitiliana rà faobe maimaim-poana mandritra ny roa andro ao amin’ny CHU Mahavoky Atsimo, CSI (Centre de Soins Intégré) Mahabibo ary eny amin’ny CSB Tanambao Sotema. Ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar  niaraka tamin’ireo talem-paritra isan-tsokajiny, no nisantatra