Daily Archives: 13 février 2017

Fanabeazana nomerika:tsy diso anjara hatrany i Boeny

Tablette miisa 50 avy amin’ny tetik’asafanabeazana nomerika imasoan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no nozaraina ho an’ny mpianatra kilasy faha-4 sy faha-3 ao amin’ny CEG Ampisikina Mahajanga ny alakamisy 09 febroary 2017. Mba hananan’ireo ankizy sy tanora ary ny vehivavy fahaleovantena amin’ny fampivoarana ny fiainana andavandro sy mba hampitovy lenta ny mpampianatra Malagasy amin’ireo mpampianatra amin’ny tany mandroso

Administrateurs civils: tsy salama ny sendikan’izy ireo eto Madagasikara

Tsy salama ny sendikan’ny Administrateurs civils eto Madagasikara noho ny fatoritorian’izy ireo tao anatin’ny taona maro, noho ny antony ara-politika sy teknika, ary noho ny adin’ny samy Administrateurs civils  ao Antananarivo. Io no nambaran’ny filoha irasam-paritry ny sendikan’ny Administateurs civils ato anatin’ny faritan’i Mahajanga, Atoa Saïd Ahamad Jaffar nandritra ny lanonana firariantsoa fanaon’izy ireo isan-taona,