Daily Archives: 20 février 2017

Faritra Boeny: nametraka ho fanamby ny fiarovana sy fiahina ny mpandraharaha Malagasy eto amin’ny faritra

Aoka hifanome tànana ianareo mpandraharaha malagasy amin’ny fampidirana ny sehatra tsy ara-dalàna ho lasa ara-dalàna aty amin’ny faritra Boeny hoy ny Lehiben’ny Faritra, Atoa Saïd Ahamad Jaffar nandritry ny lanona famelomana ny sampana FIV.MPA.MA. na ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy eto Mahajanga, ny talata 14 febroary 2017, tao amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria Mahajanga.