Monthly Archives: février 2017

11 febroary-Zanaka zandary kamboty: manan-jo hanohy ny fianarany

Raisin’ny zandarimariam-pirenena an-tànana ny fikarakarana ireo vady aman-janaka navelan’ireo zandary lavo tamin’ny fanatanterahana ny asany. Nandritra ny fankalazana ny andron’ny 11 febroary ny  sabotsy lasa teo, teny amin’ny Bord de la mer Mahajanga be, no nilazan’ny lehiben’ny Fari-piadidin’ny Zandarimariam-pirenena eto Mahajanga, ny Kly Mananga Jean Manasse izany. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana narahina fitokanana tsangambato naorina eo amin’ny

Fanabeazana nomerika:tsy diso anjara hatrany i Boeny

Tablette miisa 50 avy amin’ny tetik’asafanabeazana nomerika imasoan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no nozaraina ho an’ny mpianatra kilasy faha-4 sy faha-3 ao amin’ny CEG Ampisikina Mahajanga ny alakamisy 09 febroary 2017. Mba hananan’ireo ankizy sy tanora ary ny vehivavy fahaleovantena amin’ny fampivoarana ny fiainana andavandro sy mba hampitovy lenta ny mpampianatra Malagasy amin’ireo mpampianatra amin’ny tany mandroso

Administrateurs civils: tsy salama ny sendikan’izy ireo eto Madagasikara

Tsy salama ny sendikan’ny Administrateurs civils eto Madagasikara noho ny fatoritorian’izy ireo tao anatin’ny taona maro, noho ny antony ara-politika sy teknika, ary noho ny adin’ny samy Administrateurs civils  ao Antananarivo. Io no nambaran’ny filoha irasam-paritry ny sendikan’ny Administateurs civils ato anatin’ny faritan’i Mahajanga, Atoa Saïd Ahamad Jaffar nandritra ny lanonana firariantsoa fanaon’izy ireo isan-taona,

CIRGN Mahajanga: mirary VHF ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny zandary

Tsy vitan’ny hoe mandray anjara fotsiny fa tena mandray andraikitra tokoa ary tsy vitany mandray andraikitra fa mampadray andraikitra ihany koa, izay no ho ataon’ ny zandary filamatra eo am-panatotosany ny asany amin’ity taona ity. Io no fanamby goavana nomen’ny Lehiben’ny fari-piadidin’ny Zandarimariam-pirenena Mahajanga, ny Kly Manasse Jean Mananga, ny sabotsy 28 janoary lasa teo,