Monthly Archives: mars 2017

29 martsa teto Mahajanga: am-polony sisa ireo Bekotro maroholatra

Niatomboka tamin’ny filaharana namakivaky ny tanàna izay notarihan’ireo Bekotro maroholatra sy Zokiolona, ary manam-pahefana no nisantarana ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Tolom-panafahana 29 martsa 1947 teto an-tapon-tanànan’i Mahajanga ny Alarobia teo.  Niainga teo amin’ny Lapan’ny tanàna, namakivaky ny araben’I Mahabibo ary nifarana teny amin’ny Jardin Cayla, toerana izay misy ny tsangambaton’ny Mahery fo eto Mahajanga

Faritra Boeny: voatazona hatrany ny kalitao tsaran’ny tanteliny

Notanterahina tao amin’ny trano fandraisambahiny Coco Lodge Mahajanga, ny 14 sy 15 Martsa 2017 ny atrikasam-paritra mikasika ny fandalinana sy fampiroboroboana ny Rojo-pihariana tantely ato anatin’ny faritra Boeny. Raha tsiahivina dia ny taona 2013 no nifoha tamin’ny torimasony ireo mpiompy tantely teto amin’ny faritra rehefa nahazo tohana ara-teknika sy ara-pitaovana narahina fiofanana maromaro avy tamin’ny fandaharan’asa

Efa ananan’ireo vehivavy ny zo saingy mila fampahatsiahivana

Tontosana toy ny isan-taona ny 08 marsa 2017 teto antampon-tananàn’i Mahajanga na dia teo aza ireo toe-javatra nandalo teto amin’ny firenena. Filaharam-be namakivaky ny tananà, vavaka iraisam-mpinona ary fiaraha-misakafo, no nofidin’ireo  andriambavilanitra nanamarihana ny tontolo andron’ ny valo marsa. « vehivavy mahefa antoky ny fampandrosoana » io no lohateny nosafidin’ny mpikarakara nasongadina tamin’ity taona 2017 ity. Niompana

Faritra Boeny: ampidinina ny vidim-bary araka ny lalanam-barotra

Taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena teto Mahajanga dia nanome baiko ny Ministeran’ny varotra sy fanjifana mba hampidina ny vidim-bary hafarina ho 1 400 ariary na 1 450 ariary fa tsy 2 200 ariary na 2 300 ariary arakan’ny lalanam-barotra. Ny tena olana dia ny fararaotana ataon’ireo mpaninjara eny amin’ny tsena mikasika ny fanalalahana ny varotra ka mampiakatra vidim-bary tsy ara-drariny hoy

Faritra Boeny fanatsarana ny sosialim-bahoaka no ahazoana fampandrosoana maharitra

Fanamby napetrakin’ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fiarovana ny mponina marefo mba ahazoana fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny toe-karena hoy ny vadin’ny Filoham-pirenena nandritry ny fitokanana ny fotodrafitr’asa foibe Vonjy sy ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny sampan-draharaha mahakasika ny fandraisana an-tanana ny ankizy iharan’ny herisehatra, ny zoma 03 febroary 2017. Izao

Fitaratra eto amin’ny firenena ny kaominina Mahajanga.

Ao anatin’ny fitoniana no hampisiana  fampandrosoana fototra sy hanarenana ny toe-karena ary  hanafoanana ny delestazy ao anatnin’ny 50 taona ho avy  eto amin’ny tany sy ny fanjakana. “Tsy maintsy voahavaha izay sakana ho amin’ny fampandrosoana mba hanatrarana ny fanamby  ary mila faharetana ny tsirairay” hoy ny Filoham-pirenena Atoa Hery Rajaonarimampianina nandritry ny fandalovany teto Mahajanga

Texte sur la filière black eyes à nationaliser

Le projet FACMAIR (Faculté d’Ajustement COMESA  Mécanisme d’Appuis à l’Intégration Régionale) en collaboration avec la Région Boeny a organisé l’atelier national de la filière black eyes à l’hôtel les Roches Rouges Mahajanga le mardi 28 février 2017. Madagascar étant le 3ème exportateur mondial du black eyes, la régulation de ladite filière est de mise. Ainsi,

Salotra hasina 13 azon’ireo mpampianatra mpikaroka eto Mahajanga

Nandritry ny lanonana famehatrahana ny salotra hasina ho an’ireo mpampianatra mpikaroka 13 raikitra tompo-toerana tao amin’ny oniversitean’i Mahajanga, tamin’ny asabotsy 25 febroary 2017. Dia nasongadin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahmad Jaffar ny andrasana amin’ireo ny fanomezan-tanana sy fanampiana ny fitondram-panjakana eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny fiaraha miasa tokony ho tanterahiny amin’ny tompon’andraikitry

Hatsaraina ny fiompiana sy ny fanondranana ny henam-biby eto amin’ny faritra Boeny.

Atrikasa ho fanatsarana ny fiompiana sy ny fanondranana ny henam-biby ary ho fanamafisana  ny fahaiza-manao amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny biby no notanterahina tao amin’ny Trano fandraisambahiny na ny Hotel du Phare la Corniche Mahajanga, ny zoma 24 sy  sabotsy 25 febroary 2017. Nandray anjara tamin’izao atrikasa izao ny foibem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny