Daily Archives: 7 mars 2017

Faritra Boeny: ampidinina ny vidim-bary araka ny lalanam-barotra

Taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena teto Mahajanga dia nanome baiko ny Ministeran’ny varotra sy fanjifana mba hampidina ny vidim-bary hafarina ho 1 400 ariary na 1 450 ariary fa tsy 2 200 ariary na 2 300 ariary arakan’ny lalanam-barotra. Ny tena olana dia ny fararaotana ataon’ireo mpaninjara eny amin’ny tsena mikasika ny fanalalahana ny varotra ka mampiakatra vidim-bary tsy ara-drariny hoy

Faritra Boeny fanatsarana ny sosialim-bahoaka no ahazoana fampandrosoana maharitra

Fanamby napetrakin’ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fiarovana ny mponina marefo mba ahazoana fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny toe-karena hoy ny vadin’ny Filoham-pirenena nandritry ny fitokanana ny fotodrafitr’asa foibe Vonjy sy ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny sampan-draharaha mahakasika ny fandraisana an-tanana ny ankizy iharan’ny herisehatra, ny zoma 03 febroary 2017. Izao

Fitaratra eto amin’ny firenena ny kaominina Mahajanga.

Ao anatin’ny fitoniana no hampisiana  fampandrosoana fototra sy hanarenana ny toe-karena ary  hanafoanana ny delestazy ao anatnin’ny 50 taona ho avy  eto amin’ny tany sy ny fanjakana. “Tsy maintsy voahavaha izay sakana ho amin’ny fampandrosoana mba hanatrarana ny fanamby  ary mila faharetana ny tsirairay” hoy ny Filoham-pirenena Atoa Hery Rajaonarimampianina nandritry ny fandalovany teto Mahajanga