Daily Archives: 31 mars 2017

29 martsa teto Mahajanga: am-polony sisa ireo Bekotro maroholatra

Niatomboka tamin’ny filaharana namakivaky ny tanàna izay notarihan’ireo Bekotro maroholatra sy Zokiolona, ary manam-pahefana no nisantarana ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Tolom-panafahana 29 martsa 1947 teto an-tapon-tanànan’i Mahajanga ny Alarobia teo.  Niainga teo amin’ny Lapan’ny tanàna, namakivaky ny araben’I Mahabibo ary nifarana teny amin’ny Jardin Cayla, toerana izay misy ny tsangambaton’ny Mahery fo eto Mahajanga