Monthly Archives: avril 2017

Lehiben’ny faritra Boeny: sady tia mianatra no tia mampianatra

“Misy foana ny fianarana, ka mandra-piantson’Andriamanitra anao, dia mianàra hatrany  fa mampivoatra izany…” Io no hafatra mifono anatra nomen’ny Lehiben’ny faritra Boeny Atoa Saïd Ahamad Jaffar ireo Mpianatra avy ao amin’ny IPAM (Institut privé Al Moustapha) Analamahitsy Antananarivo. Taona faharoa amin’ny Fitantanana sy Lalàna miisa eo amin’ny 40 izy ireo, manatanteraka “voyage d’études “eto Mahajanga

Marovoay-Boeny: ny Vovonan’ny tantsaha no hitantana ny zava-bitan’ireo tetik’asam-pambolem-bary

Natsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Talata 11 avrily 2017 tao Antandravaha Marovoay ny Vovonana ifandrimbonan’ny mpamboly vary ao an-toerana, hitantana ny tambajotran’ny rano aorian’ny fijanonan’ireo  tetik’asam-pambolem-bary miasa ao Marovoay.   Amina maha mpitarika ny fampandrosoana azy dia namoaka ny lalànam-paritra laharana 006/17-REG-BN/CR ny Faritra Boeny,  mamaritra ny fananganana io Vovonana io. Hanao tantsoroka dieny izao

Ambondromamy-Ambatoboeny: nandray ny fankalazana ny Andron’ny Tanora Mioitra andiany voalohany

Notontosaina ny zoma 07 mars 2017 tao Ambondromamy, distrikan’Ambatoboeny, ny fankalazana ny Andron’ny Tanora Mioitra andiany voalohany nokarakarain’ny fandaharan’asa PROSPERER eto Boeny. Tanjona kendrena amin’izao hetsika ny ahafahan’ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa mba tsy ho lasa vesatry ny fiaraha-monina hoy ny mpandrindram-paritry ny PROSPERER eto Boeny, Atoa Paulin. Hatramin’ny  taona 2014 niasan’ny PROSPERER

Mahajanga: nahavita fotodrafitr’asa fanamainana diky ny tanàna

Notanterahina ny talata 04 aprily 2017 tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga ny fikaonan-doha famaranana ny tetik’asa Fanadiovana eto Mahajanga na ASSMA (Assainissement à Mahajanga). Ny taona 2013 no nanombohana ny tetik’asa ASSMA teto Mahajanga. Ny Vondrona Eropenana no mpamatsy vola azy ary ny fiaraha-miasan’ny Komina Ambonivotr’I Mahajanga sy ny IRCOD  (Institut Régional de COopération Développement)

Boeny: vita sonia ny Satan’Andraikitra momban’ny «Drafim- panajariana ny faritra» sy ny «Drafitra Ifotony fanajariana ny tany» miisa 13

Vita sonia ny zoma 31 mars 2017 teo, tao amin’ny hotely Les Roches Rouges Mahajanga ny Satan’Andraikitra momban’ny «Drafim- panajariana ny faritra» na SRAT ho an’ny faritra Boeny sy ny «Drafitra Ifotony fanajariana ny tany» na SAC ho an’ireo Kaomina miisa 13 ao aminy. Ny Minisitra eo ambany fiadidian’ny Repoblika misahana ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny