Daily Archives: 13 avril 2017

Marovoay-Boeny: ny Vovonan’ny tantsaha no hitantana ny zava-bitan’ireo tetik’asam-pambolem-bary

Natsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Talata 11 avrily 2017 tao Antandravaha Marovoay ny Vovonana ifandrimbonan’ny mpamboly vary ao an-toerana, hitantana ny tambajotran’ny rano aorian’ny fijanonan’ireo  tetik’asam-pambolem-bary miasa ao Marovoay.   Amina maha mpitarika ny fampandrosoana azy dia namoaka ny lalànam-paritra laharana 006/17-REG-BN/CR ny Faritra Boeny,  mamaritra ny fananganana io Vovonana io. Hanao tantsoroka dieny izao