Daily Archives: 2 mai 2017

CNaPS: Fanarenana ny fiahina ara-tsosialin’ireo Mpiasan’ny Kaomina

Fanarenana ny fiahina ara-tsosialin’ireo Mpiasam-panjakana miasa eny anivon’ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.    Io no votoatin’ny fiofanana nataon’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) foibe niaraka tamin’ireo mpanapa-kevitra eny anivon’ny kaomina 46 misy ato anatin’ny faritra Boeny ny 27 sy 28 aprily 2017 tao amin’ny trano fivoriana Bloc Administratif Ampisikina, Mahajanga. Ireo Ben’ny tànana sy Filohan’ny Filankevitra monisipaly

Foara Ekonomika Boeny Mionjo andiany faha-4

Ny Alarobia 27 aprily 2017 no nampahafantra tamin’ny fomba ofisialy, ho an’ny vahoakan’I Mahajanga tao amin’ny haino aman-jery eto an-toerana, ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar,  fa hisy indray ny Foara Ekonomika Boeny Mionjo,  andiany faha-4, izay karakarain’ny Faritra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny 23 hatramin’ny 26 aogositra 2017, no hanaovana izany eny

Raharahara fanorenana tsy ara-dalàna eny Manapatànana

Manoloana ny savorovoro sy sahon-dresaka efa ho herinandro maromaro,  mikasika ny fanorenana tsy ara-dalàna misy eny amin’ny honahona fanirian’ny ala honko eny Manapatànana Amborvy, dia nidina ifotony ny Komitim-paritra misahana ny Tontolo iainana na ny CER (Comité Environnemental Régional) eto Boeny nijery sy nanadihady, ny zava-misy eny an-toerana. Taorian’ny fanadihadiana sy ny tatitra nataon’ny CER,