Foara Ekonomika Boeny Mionjo andiany faha-4

Ny Alarobia 27 aprily 2017 no nampahafantra tamin’ny fomba ofisialy, ho an’ny vahoakan’I Mahajanga tao amin’ny haino aman-jery eto an-toerana, ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar,  fa hisy indray ny Foara Ekonomika Boeny Mionjo,  andiany faha-4, izay karakarain’ny Faritra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny 23 hatramin’ny 26 aogositra 2017, no hanaovana izany eny amin’ny toerana mahazatra, eo anoloan’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria, eny amin’ny Bord de la mer.

Anisany sangany amin’ny seha-pihariana jono Boeny, ka dia hiompana betsak amin’io sehatra io, ny foara amin’ity hoy ny ny Lehiben’ny Faritra Boeny. Ny loha-hevitra natolotry ny komity mpikarakara araka izany dia ny hoe “ny Jono sy ny fiompiana hazandranomasina, fanoitran’ny fampandrosoana ho an’ny faritra Boeny” adika amin’ny teny frantsay hoe:  « La pêche et l’aquaculture, levier du développement de la région Boeny».