Komity mpikarakara ny Festival Sobahya: nanomana ny hetsika ara-kolontsaina sakalava andiany faha-15

Ho fanomanana ny festival Sobahya andiany faha-15, izay hatao ny 12 ka hatramin’ny 15 Septambra ho avy izao dia  nanatanteraka fivoriana ireo komity mpikarakara an’izany hetsika ara-kolontsaina sakalava Sobahya andiany faha-15 izany, ny Alakamisy 08 Aogositra 2019 tao amin’ny birao fiasan’ny Lehiben’ny Faritra Boeny ao  amin’ny Bloc Administratif Ampisikina. Izany  dia notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy V. Clavelah sy ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Mitsinjo, Atoa Randriamisa Nicolas David.