Masoivohon’i Sri Lanka eto Madagasikara: nitsidika ny Lehiben’ny faritra Boeny

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy V. Clavelah tao amin’ny birao fiasany ao  amin’ny Bloc Administratif Ampisikina ny Alarobia 07 Aogositra 2019, ny Masoivohon’i Sri Lanka eto Madagasikara, Atoa Seyed Kureishan Moulana niaraka tamin’ny mpandraharaha avy amin’ny orinasa Sanken Overseas avy any Sri Lanka, Atoa Ravindra Wijesooriya.

Antondian’izy ireo dia nampahafantatra ny Lehiben’ny faritra  ireo tetik’asa ho kasainy atao eto amin’ny faritra Boeny dia ny fanamboarana hopitaly lehibe manara-penitra, famatsiana herinaratra ary ny fanorenana trano amidy ho an’ny daholo be tsy ankanavaka. Ka eto amin’ny faritra Boeny no nosafidiny hanomboan’izy ireo an’izany tetik’asa  ho ataony izany raha toa ka efa tany Seychelle, Maurice, Ouganda, Kenya no nanombohany voalohany an’io tetik’asa io.

Tombony lehibe ho antsika eto amin’ny faritra Boeny ny fisin’izao fiara-miasa izao hoy ny Lehiben’ny faritra Boeny noho izy tafitra tsara ao anatin’ny drafim-paritra fampandrosoana ny faritra na PRD.

Taorian’ny fitsidiana ny Lehiben’ny faritra dia nidina teny ifotony izy ireo nijery ny toerana noeritreretiny hametrahana izany tetik’asa izany.

Miteraka asa ho an’ny vahoaka malagasy ny fametrahana izao foto-drafitr’asa izao hoy ny tompon’andraikitra ny orinasa Sanken Overseas.