Solotenan’ireo mpianatra avy amin’ny Cisco ny Soalala: niara-nisakafo tamin’ireo manam-pahefana avy eto an-toerana

Notanterahina ny Alatsinaina 05 Aogositra 2019 tao amin’ny Salle Polyvalent polisy Mangarivotra Mahajanga, ny fiaraha-nisakafo noman’ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Soalala, Atoa Saïd Mahafalizakaniaina Joseph tamin’ireo mpianatra nisolotena ny Cisco ny Soalala nandray anjara tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahatena an-tsekoly taona 2019 natao tany amin’ny distrikan’i Marovoay.

Ankoatran’ireo olom-panjakana avy eto an-toerana notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny, Atoa Bazezy V. Clavelah dia anisany nanatrika sy nanome voninahitra ary nanome tso-drano an’ireo mpianatra izay nahazo amboara faharoa amin’ny Cisco enina ato anatin’ny DRENTP Boeny ny Renin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Rtoa Olga.