Category Archives: A La Une

Andron’ny sekoly Boeny: nodimandry tampoka ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena

Nodimandry tampoka ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena, Atoa Samuel Christophe, taorian’ireo kabary nifandimbiasana tamin’ny fanokafana ofisialy ny Andron’ny sekoly teto Boeny izay natao tao amin’ny CRInFP (Centre régional d’institut de formation pédagogique) Mahabibo, Mahajanga. Semban-drahona ny Andron’ny sekoly eto Boeny, satria raha iny hamonjy ny efitrano nisy ny fialana hetaheta iny ny rehetra taorian’ny fahavitan’ny kabary

Commune Urbaine de Mahajanga: la transparence budgétaire est certifiée de quatre étoiles

En vue de mettre en place la transparence budgétaire à Madagascar, la société civile MSIS Tatao (Multi-Sector Information Service Tohana sy Ainga ho an’ny Tambazotran’ny Olom-pirenena) organise des ateliers un peu partout dans la Grande Île. Pour Mahajanga, l’atelier interrégional de dissémination des résultats s’est  donc effectué dans la matinée du mardi 14 février 2017

Mahajanga: mitohy ny fanatsarana ny mari-pandrefesana ny fitantanana ifotony

Notanterahina tao amin’ny Hôtel du Phare Mahajanga ny alatsinainy 06 hatramin’ny zoma 10 febroary 2017 ny atrik’asa teknika ho fandrindrana ny Mari-pandrefesana ny fitantanana eny ifotony na ny Indice de Gouvernance Locale. Ny komity teknika izay nahitana ny avy amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny ministeran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola ary ireo avy amin’ny

CHU Mahavoky Atsimo-Mahajanga: ho lasa hopitaly goavana afaka fotoana fohy

Afaka telo volana dia ho lasa hopitaly goavana ny CHU Mahavoky Atsimo, raha tratra ny tanjona fanatsarana nokendrena aminy hoy ny Ministry Fahasalamana, Atoa Mamy Lalatiana Andriamanarivo nandritry ny lanonam-panolorana fitaovam-pahasalamana nataony teto Mahajanga, ny zoma 10 febroary 2017. Fiara fitaterana marary sy fitaovana fanatsarana ny ao anatiny no natolony ny CHU Mahavoky Atsimo  na

11 febroary-Zanaka zandary kamboty: manan-jo hanohy ny fianarany

Raisin’ny zandarimariam-pirenena an-tànana ny fikarakarana ireo vady aman-janaka navelan’ireo zandary lavo tamin’ny fanatanterahana ny asany. Nandritra ny fankalazana ny andron’ny 11 febroary ny  sabotsy lasa teo, teny amin’ny Bord de la mer Mahajanga be, no nilazan’ny lehiben’ny Fari-piadidin’ny Zandarimariam-pirenena eto Mahajanga, ny Kly Mananga Jean Manasse izany. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana narahina fitokanana tsangambato naorina eo amin’ny

Fanabeazana nomerika:tsy diso anjara hatrany i Boeny

Tablette miisa 50 avy amin’ny tetik’asafanabeazana nomerika imasoan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no nozaraina ho an’ny mpianatra kilasy faha-4 sy faha-3 ao amin’ny CEG Ampisikina Mahajanga ny alakamisy 09 febroary 2017. Mba hananan’ireo ankizy sy tanora ary ny vehivavy fahaleovantena amin’ny fampivoarana ny fiainana andavandro sy mba hampitovy lenta ny mpampianatra Malagasy amin’ireo mpampianatra amin’ny tany mandroso

Administrateurs civils: tsy salama ny sendikan’izy ireo eto Madagasikara

Tsy salama ny sendikan’ny Administrateurs civils eto Madagasikara noho ny fatoritorian’izy ireo tao anatin’ny taona maro, noho ny antony ara-politika sy teknika, ary noho ny adin’ny samy Administrateurs civils  ao Antananarivo. Io no nambaran’ny filoha irasam-paritry ny sendikan’ny Administateurs civils ato anatin’ny faritan’i Mahajanga, Atoa Saïd Ahamad Jaffar nandritra ny lanonana firariantsoa fanaon’izy ireo isan-taona,

CIRGN Mahajanga: mirary VHF ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny zandary

Tsy vitan’ny hoe mandray anjara fotsiny fa tena mandray andraikitra tokoa ary tsy vitany mandray andraikitra fa mampadray andraikitra ihany koa, izay no ho ataon’ ny zandary filamatra eo am-panatotosany ny asany amin’ity taona ity. Io no fanamby goavana nomen’ny Lehiben’ny fari-piadidin’ny Zandarimariam-pirenena Mahajanga, ny Kly Manasse Jean Mananga, ny sabotsy 28 janoary lasa teo,

Faritra Boeny: firariantsoa sy fiarahabana fotoana hanaovana tatitra

Firariantsoa sy fiarahabana ny fahatratrarana ny asaramanitra 2017 no notanterahin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny sy ny Préfet an’i Mahajanga miaraka ny Alarobia 25 janoary 2017 tao amin’ny Lapan’ny Faritra Boeny, Mahajanga be. Fahavononana sy filofosana amin’ny fisandratana mirindra no andrasana amin-tsika olom-panjakana sivily sy miaramila amin’ity taom-baovao ity hoy ny Préfet Atoa Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana, nanokatra

Mahajanga: ny sekoly voaharo, fanabeazana mirindra sy mahomby

Izay no tanjona napetraka tamin’ny fanaovana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fampandrosoana ny lalàna mifehy ny fitondrantena (Code de conduite) sy ny famolavolana ny tetik’asa fiarovana ny ankizy eo anivon’ny tontolon’ny fanabeazana ho an’ny taona 2017 tao amin’ny “Maison des élus” Mahajanga, ny 18, 19, 20 janoary 2017. Ny Foibem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, ny