Ny vehivavy no loharanon’ny fiainan’ny zanak’olom-belona

Naseho tamin’ny fomba ofisialy an’ireo olom-panjakana sy ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ary ireo mpiara-miombonantoka (Nadiezhda), ireo mpianatra afaka Bakalorea tao amin’ny ivotoerana FAWE Mangarivotra Mahajanga(Forum for Africa Women Educationalists) ny talata faha More »

Mahajanga fialan-tsasatra: sarotiny amin’ny fahadiovan’ny Bord ny Lehiben’ny faritra

Manoloana ny fihavian’ireo vahiny sy mpiala-sasatra marobe eto Mahajanga dia nanao fanambarana ny amin’ny fandaminana ara-pifamoivoizana anatiny sy ny fahadiovan’ny tanàna ny  Lehiben’ny faritra Boeny Atoa Saïd Ahamad Jaffar ny Alakamisy 10 More »

Boeny: visites de l’ambassadeur de l’Inde et celle de l’Afrique du Sud à Mahajanga

Le vendredi 4 Août 2017, le Chef de la région Boeny, Mr Saïd Ahamad Jaffar a reçu au Palais de la Région, au Bord de la mer Mahajanga Be,  les visites successives More »

Oniversiten’i Mahajanga: tsara fandray indrindra ny fankalazana ny andron’i Mandela

11Fitokanana ny takela-bato fahatsiarovana manokana ho an’i Nelson Mandela, fanomezana solosaina miisa roa, vary gony iray, menaka amin’ny daba 20 litatra miisa 2, savony sy vovon- tsavony 3 baoritra avy ho an’ireo More »

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana eto Boeny: mifarimbona ny Ben’ny tanàna sy ny solotenam-panjakana ary ny mpitandro filaminana

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ankehitriny eny anivon’ireo Kaomina tantanan’izy ireo, dia niantso fiaraha-miasa amin’ireo mpitondra fanjakana sy mpitantdro filaminana ireo Ben’ny tanàna 46 ato anatin’ny faritra Boeny. Mivory indray mandeha More »

 

Foara Ekonomika Boeny Mionjo andiany faha-4

Ny Alarobia 27 aprily 2017 no nampahafantra tamin’ny fomba ofisialy, ho an’ny vahoakan’I Mahajanga tao amin’ny haino aman-jery eto an-toerana, ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar,  fa hisy indray ny Foara Ekonomika Boeny Mionjo,  andiany faha-4, izay karakarain’ny Faritra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny 23 hatramin’ny 26 aogositra 2017, no hanaovana izany eny

Raharahara fanorenana tsy ara-dalàna eny Manapatànana

Manoloana ny savorovoro sy sahon-dresaka efa ho herinandro maromaro,  mikasika ny fanorenana tsy ara-dalàna misy eny amin’ny honahona fanirian’ny ala honko eny Manapatànana Amborvy, dia nidina ifotony ny Komitim-paritra misahana ny Tontolo iainana na ny CER (Comité Environnemental Régional) eto Boeny nijery sy nanadihady, ny zava-misy eny an-toerana. Taorian’ny fanadihadiana sy ny tatitra nataon’ny CER,

Lehiben’ny faritra Boeny: sady tia mianatra no tia mampianatra

“Misy foana ny fianarana, ka mandra-piantson’Andriamanitra anao, dia mianàra hatrany  fa mampivoatra izany…” Io no hafatra mifono anatra nomen’ny Lehiben’ny faritra Boeny Atoa Saïd Ahamad Jaffar ireo Mpianatra avy ao amin’ny IPAM (Institut privé Al Moustapha) Analamahitsy Antananarivo. Taona faharoa amin’ny Fitantanana sy Lalàna miisa eo amin’ny 40 izy ireo, manatanteraka “voyage d’études “eto Mahajanga

Marovoay-Boeny: ny Vovonan’ny tantsaha no hitantana ny zava-bitan’ireo tetik’asam-pambolem-bary

Natsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Talata 11 avrily 2017 tao Antandravaha Marovoay ny Vovonana ifandrimbonan’ny mpamboly vary ao an-toerana, hitantana ny tambajotran’ny rano aorian’ny fijanonan’ireo  tetik’asam-pambolem-bary miasa ao Marovoay.   Amina maha mpitarika ny fampandrosoana azy dia namoaka ny lalànam-paritra laharana 006/17-REG-BN/CR ny Faritra Boeny,  mamaritra ny fananganana io Vovonana io. Hanao tantsoroka dieny izao

Ambondromamy-Ambatoboeny: nandray ny fankalazana ny Andron’ny Tanora Mioitra andiany voalohany

Notontosaina ny zoma 07 mars 2017 tao Ambondromamy, distrikan’Ambatoboeny, ny fankalazana ny Andron’ny Tanora Mioitra andiany voalohany nokarakarain’ny fandaharan’asa PROSPERER eto Boeny. Tanjona kendrena amin’izao hetsika ny ahafahan’ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa mba tsy ho lasa vesatry ny fiaraha-monina hoy ny mpandrindram-paritry ny PROSPERER eto Boeny, Atoa Paulin. Hatramin’ny  taona 2014 niasan’ny PROSPERER

Mahajanga: nahavita fotodrafitr’asa fanamainana diky ny tanàna

Notanterahina ny talata 04 aprily 2017 tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga ny fikaonan-doha famaranana ny tetik’asa Fanadiovana eto Mahajanga na ASSMA (Assainissement à Mahajanga). Ny taona 2013 no nanombohana ny tetik’asa ASSMA teto Mahajanga. Ny Vondrona Eropenana no mpamatsy vola azy ary ny fiaraha-miasan’ny Komina Ambonivotr’I Mahajanga sy ny IRCOD  (Institut Régional de COopération Développement)

Boeny: vita sonia ny Satan’Andraikitra momban’ny «Drafim- panajariana ny faritra» sy ny «Drafitra Ifotony fanajariana ny tany» miisa 13

Vita sonia ny zoma 31 mars 2017 teo, tao amin’ny hotely Les Roches Rouges Mahajanga ny Satan’Andraikitra momban’ny «Drafim- panajariana ny faritra» na SRAT ho an’ny faritra Boeny sy ny «Drafitra Ifotony fanajariana ny tany» na SAC ho an’ireo Kaomina miisa 13 ao aminy. Ny Minisitra eo ambany fiadidian’ny Repoblika misahana ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny

29 martsa teto Mahajanga: am-polony sisa ireo Bekotro maroholatra

Niatomboka tamin’ny filaharana namakivaky ny tanàna izay notarihan’ireo Bekotro maroholatra sy Zokiolona, ary manam-pahefana no nisantarana ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Tolom-panafahana 29 martsa 1947 teto an-tapon-tanànan’i Mahajanga ny Alarobia teo.  Niainga teo amin’ny Lapan’ny tanàna, namakivaky ny araben’I Mahabibo ary nifarana teny amin’ny Jardin Cayla, toerana izay misy ny tsangambaton’ny Mahery fo eto Mahajanga

Faritra Boeny: voatazona hatrany ny kalitao tsaran’ny tanteliny

Notanterahina tao amin’ny trano fandraisambahiny Coco Lodge Mahajanga, ny 14 sy 15 Martsa 2017 ny atrikasam-paritra mikasika ny fandalinana sy fampiroboroboana ny Rojo-pihariana tantely ato anatin’ny faritra Boeny. Raha tsiahivina dia ny taona 2013 no nifoha tamin’ny torimasony ireo mpiompy tantely teto amin’ny faritra rehefa nahazo tohana ara-teknika sy ara-pitaovana narahina fiofanana maromaro avy tamin’ny fandaharan’asa

Efa ananan’ireo vehivavy ny zo saingy mila fampahatsiahivana

Tontosana toy ny isan-taona ny 08 marsa 2017 teto antampon-tananàn’i Mahajanga na dia teo aza ireo toe-javatra nandalo teto amin’ny firenena. Filaharam-be namakivaky ny tananà, vavaka iraisam-mpinona ary fiaraha-misakafo, no nofidin’ireo  andriambavilanitra nanamarihana ny tontolo andron’ ny valo marsa. « vehivavy mahefa antoky ny fampandrosoana » io no lohateny nosafidin’ny mpikarakara nasongadina tamin’ity taona 2017 ity. Niompana